MALAGASY CHRISTIAN CHURCH, New York, FKM-NY
FANKALAZANA MANDRITRY NY TAONA
Ny fankalazana dia mandritry ny taona 2023:
  • Pentekosta 28 May : Fanokafana amin'ny alalan'ny fampahafantarana ny fotoana isan-karazany.
  • Alahady 18 Jona: Fampahafantarana ny nahazo ny valisoa tamin'ny fifaninanana LOGO.
  • 2 sy 3 Septambra Ivon'ny Fankalazana. Hira ara-pilazantsara sy vavaka manokana.
  • Oktobra : Fankalazana sy fahafolotaona nitandreman'i Pasteur Perline Cooper teto amin'ny FKM-NY
  • Novambra : Voka-dehibe ao anatin'ny taom-pakalazana.
  • Desambra: Fotoam-pamaranana amin'ny Krismasy ho an'ny ankizy

    Ako an-tsary ny fanokafana

    Notontosaina ny Alahady 18 Jona 2023, nankalazana ny fetim-pirenena ny valisoa nomena ireo niditra tamin'ny fifaninanana LOGO. Nisy 18 ireo nandray anjara . Ny mpitsara manokana dia namoaka ireo nahazo ny laharana telo voalohany.
    Ireto ary ny nahazo ny valisoa:

    Mikasika ny hira faneva hifaninanana dia nisy fanovana toa izao ny daty handraisana ny sangan'asa:

    Ho fankalazana ny faha-15 taonan'ny fiangonana dia misokatra izao ny fifaninanana HIRA FANEVA izay anasana antsika rehetra. Hitantsika amin'ilay fiantsoana fifaninanana ao amin'ny loha-pejy ny antsipiriany mikasika izany.

    • Ny fara-fandraisana ny asantsika dia ny
    • Alarobia 12 Jolay 2023.
    • ary alefa amin'ity adiresy ity: fkmny15@gmail.com
    • Ny Komity.
    Hitohy ny Alahady 30 Jolay 2023 izao ny fankalazana ny faha 15 taona ny FKM-NY. Vita soamantsara ny herinandron'ny 16-22 Jolay ny fifaninana hira FANEVA ny faha 15 taona.

    Toa izao ny filazana mikasika izany:

    Ny Komity mikarakara ny fankalazana ny faha-15 taonan'ny FKM-NY dia faly manasa antsika rehetra ho avy amin'ny tapany manaraka tohin'izany fankalazana izany.
    Tolakandron'ny mpianakavy hatao ny

    • Alahady 30 Jolay 2023 amin'ny 3 ora tolakandro,
    • ao amin'ny French Evangelical Church 126-128 W 16th street New York.
    Toy izao manaraka izao ny ho fandaharam-potoana :
    • - Fanambarana ny vokatry ny fifaninanana hira fanevan'ny FKM-NY-XV,
    • - SARY / FILM / VIDEO notsongaina : CAMPING 2023...
    • - Fanohizana ny fakana feo sy sary antsika,
    • - Kalokalo sy hira arakizay fahafanam-po.
    • - Samia mba mitondra tsakitsaky hifampizarana
    Mitohy amin'ny Ivon'ny fankalazana ny datin'ny 2 sy 3 Septambra 2023 ny korana eto amin'ny FKM-NY. Hisy lanonana lehibe amin'ireo andro roa ireo. Antenaina fa hanotrona antsika eto ireo fiangonana rahavavy manodidina avy aty Amerika Avaratra.
    Hisy koa ireo tarika manan-talenta fantatra amin'ny asam-pilazantsara handray anjara, akoatran'ireo vahiny avy lavitra mahatsiaro fa nanana fifandraisana amin'ny FKM-NY.
    Koa dia manasa ny rehetra ary ho tonga sy handray anjara amin'ireo andro roa ireo.
    HO REDONINA AMIN'IREO ANDRO IREO NY

    "HIRA FANEVA"

    LANY TAMIN'NY FIFANINANANA MIALOHA.

    Tontosa soamantsara ny fankalazana ny Ivon'ny faha 15 taona ny Asabotsy 2 sy Aahady 3 Septambra lasa teo nohon'ny fitahian'Andriamanitra.
    Fisaorana LEHIBE mitafotafo no homena ireo nanome voninahitra ny fotoana nifanomezana. Ny Tompo Jesoa hanonitra ny hery, fotoana, vola aman-karena laninareo nandritry iny fotoana iny.
    IRETO MISY SARY VITSIVITSY NANDRITRY INY FOTOANA INY.

    Omena fisaorana manokana ireo antoko mpihira sy mpihira nanafana ny fotoana ireto:
    • Antokom-pihira "Antsa Fitoriana" FJKM MONTREAL
    • Antokom-pihira "AMBORAPEO" FMK- WASHINGTON DC
    • MIANGALY RAZAFINDRAKOTO
    • Tarika "US GASY TRIO"
    • Tarika "WE MOVE MADAGASCAR"
    • Tsy adino ny mpihira Tompon-trano FKM-NY

    Ny fakalazana dia mitohy ny Alahady 15 Oktobra 2023 izao. Fotoana natokana ho Alahadin'ny Mpitandrina eto amin'ny Fiangonana io ary misosoana fanakalazana hafa koa satria feno 10 taona amin'ity taona ity ny nitandreman'i Pastora Perline Cooper teto amin'ny FKM-NY. Manasa ny mpivavaka rehetra hanotrona izany fotoana izany.
    Nantsohina manokana ny Pastor Ny Ilo Jihy Raminoarinosy hitarika feno io fotoana io.

    Ity taona ity dia natao ho fankalazana ny faha 15 taona isaky ny mivavaka ny eto amin'ny FKM-NY. Ny Volana Novambra dia fanatontosana ny voka-dehibe toa ny mahazatra. Asabotsy 18 Oktobra no hanatontosana izany fotoana izany.
    Hisy ny fandaharana sy hetsika manokana mandritry ny fotoana akoatran'ny fahazoam-bola entina manatanteraka ireo asa iandraiketan'ny FKM-NY na eto an-toerana na any Antanindrazana. Toa ireo fanampiana ny sekoly sy toerana sahirana amin'ny fitaizana zaza na tanora.
    Mariho dia eny izao ary ny fotoananao ahafahana mantrika izany andro lehibe izany.
    Ny fankalazana dia ho faranana amin'ny fanatontosana ny Krismasy 2023. Fotoana natokana ho an'ireo ankizy sy solofo sy dimby izany. Fotoana Alahady 17 Desambra 2023.
    Ny fotoana manaraka rehetra dia manoboka amin'ny 3:00 ora folakandro.

    Ny taona no mifarana fa ny akoan'ny fankalazana dia bola hitohy ny taona manaraka sy ny ho avy rehetra.
    Anisan'ny tanjona hitohy iny taona 2024 iny:

    • Hamoaka video feno ahitana ny taom-pakalazana 2023 vita.
    • Hamoaka boky mirakitra ny tantarana'ny FKM-NY nandritry izay fotoam-pahazazana 15 lasa izay.
    Miandrandra ireo izany isika ary mangataka ny fitahian'ny Tompo hahatanteraka izany.
    Pasteur Perline Cooper
    sy ny birao mpiara mitantana
    Sambatra ny firenena izay manana an'i Jehova ho Andriamaniny Sal 3312
    Tsidiho ny topy internety : https://www.fkm-ny.org
    Toerana fivavahana: 126-128 West 16 th Street New York, NY 10011