Miarahaba ny taona vaovao ny mpino eto amin'ny FKM-NY. Natao ny fotoam-pivavahana mifanaraka amin'izany. Fotoana hisaorana an'Andriamanitra hitodihana ny lasa ary hijerena ny ho avy ny fotoana. Ny akon'ny fivoriam-be dia toa izao.
Misaotra an'Andriamanitra isika fa nomeny tombon'Andro ka afaka mihara/midera ny fahaterahan'ny Tompo Jesoa isa-taona. Tontosa soamantsara ny fotoana. Akoatran'ny fankalazana mahazatra notontosain'ny ankizy dia endrika vaovao indray no naseho tamin'ity taona ity.
Nisy arak'izany ny fampisehoana an-tsehatra ilay asa-soratra nosoratan'ny mpanoratra malagasy fanta-daza Clarisse Ratsifandrihamanana mitondra ny lohateny hoe MOA MISY TRANO ATY izay nolalaovin'ny lehibe. Ny akon'ny fankalazana Krismasy 2009 dia azo jerena ato amin'ny KRISMASY 2009. Olona 80 no nanatrika ny Krismasy 2009 na dia nisy aza ny faharatsiana'ny andro sy ny lalana nohon'ny ranomandry izay nilatsaka ny andro mialohan'ny 20 Desambra 2009.
Voninahitra ho an'Andriamanitra irery ihany amin'ny zavatra rehetra vita.
Nanomana fahazoambola ny fiangonana tamin'ny 21 Novambra 2009. Ntao tao amin'ny Episcopal Church of Good Shepard, 240 East 34 Street, NY New York izany fotoana izany nanomboka tamin'ny 10:00 ora ka hatramin'ny 6:00 ora hariva izany. Akoatran'ny efa voalaza amin'ny fiantsoana izay hitanao ato 'Bazaar' dia lazaina fa tanteraka soamantsara ny fotoana. Malagasy sy ireo naman'i Madagasikara maro no namaly ny antso. Nahatratra hatran'ny amin'ny 300 olona tany ho any ny nadalo niditra sy nivoaka nandritry iny andro iny.
Akoatran'ny asam-piangonana dia anisan'ny fampahafantarana ny vakoka sy sakafo malagasy koa ny fotoana. Ny mpikambana amin'ny fiangonana tsirairay avy no nandray anjara nanome sy nikarakara ny raharaha. Isaorana manokana ireo nitoto nahafotsy nahadro nahamasaka nahavitana iny fotoana iny. Ny Voninahitra anefa dia ho an'Andriamanitra irery ihany.
FANDINHINA NY BOKIN'I JOBA.
Natao tao amin'ny Central presbyterian church ny fandinihina/fandalinam-pinoana mikasika ny bokin'i Joba. Pasteur Andriani no nitanatana ny fandalinana. Olona 15 no nanatrika ny fifanakalozan-kevitra.
Natao tao amin'ny Second Presbyterian Church Elizabeth ny fotoam-pivavahana fangataham-pitahiana ho amin'ny fotoam-pidirana na eo amin'ny fianarana na asa. Rehefa avy nadalo ny fotoam-pialantsasatra. Na naminavina fotoana kasaina ho tontosaina ny fahavaratra aza ny FKM-NY dia tsy tanteraka izany nandritra ity 2009 ity. Nibahana teo amin'ny fiainanan'ny Malagasy mipetraka eto New York ny fikarakarana ny RSM izay natao tao Aberdeen ny volana Jolay.
Natao ny Asabotsy 28 Jolay 2007 teo ny fandaharana fandalinampinoana. Ny lohateny nofankafakaina moa dia "AHOANA NO HIATREHAN'NY KRISTIANINA NY OLANA MIANJADY EO AMIN'NY FIAINANA." Ny toerana dia tao amin'ny Second Presbyterian Church Elizabeth araky ny voatondro tamin'ny fandaharana sy fiantsoana.
Notarihin' Atoa Andre Rasandiharisoa ny fotoana. Ny Pasteur Andriani kosa no nanao famoaboasana fohy ny amin'ny lohahevitra talohan'ny nidirana tamin'ny fifanakalozana sy ady hevitra.
nandritry ny fotoana dia nandray fitenenana tsirairay izay tonga teo nilaza ny "heviny sy ny niainany mikasika ity lohateny ity". Teo amin'ny fanolorana/famakafakana nataon'i Pasteur dia ireto teny avy amin'ny baiboly ireto no nasongadiny: Josoa 35 "Ary hoy Jesoa tamin'ny olona: manamasina ny tenanareo: fa rahampitso dia hanao fahagagana eo aminareo Jehovah". Ka ilay teny hoe "Manamasina" no notsindriany izay nolazainy hoe "fibebahana-fanekena" (obeissance na obedience). Dia mbola nampiana ilay ao amin'ny Josoa 2415 koa izany: "..., fa raha izaho sy ny ankohonako kosa, dia hanompo an'i Jehovah izahay". Ary ny teny farany nomen'i Pasteur teo alohan'ny famakafakana dia ny ao amin'i Matio 633
"Fa katsaho aloha ny fanjakana sy ny fahamarinany, dia hanampy anareo izany rehetra izany"..
Teo amin'ny adihevitra indray dia ireto teny ireto no nomena. Momban'ny VAVAKA, Jaona 16 23 "..., lazaiko aminareo marina dia marina tokoa fa na inona na inona hangatahinareo amin'ny Ray dia homeny anareo amin'ny anarako izany". Nanamafy io koa ny ao amin'ny Romana 8 26 "...fa tsy fantatsika izay vavaka tokony hataontsika; fa ny fanahy no mifona amin'ny fitarainana tsy azo tonoinina". Ary koa ny ao amin'ny Filipiana 4 6 : " Aza manahy na inona na inona; fa aoka ny fivavahana sy ny fifonana mbamin'ny fisaorana no ho entinareo manambara ny fangatahinareo amin''Andriamanitra amin'ny zavatra rehetra".
Nofaranana tamin'ny vavaka ny adihevitra.
Ny resaka tao aorianan'ity fotoana fandinihina soratra masina ity dia ny fahatsarany eo amin'ny fiainana kristianina andehanan'ny tsirairay avy. Samy nahazo ny tandrify azy ny rehtra tonga tao, ary maniry ny isian'ny fifanakalozana matetika toa ireny. Ny fandalinampinoana manaraka moa dia amin'ny Volana Oktobra.
Nandritry io fotoana Asabotsy io koa dia ireto ny asan'ny fiangonana notontosaina:
Pasteur William Ramamabason Doyen/directeur-n’ny Faculty de theology Ambatonakanga ary Pasteur Totozafy Talen’ny “College theologique eny Ivato. Amin’ny maha-pitarika toeram-pianarana azy ireo no nanatrehany Conference taty US.
Nanatrika fiaraha midinidinika tany amin’ny “Priceton Theological Seminary” Princeteon NJ izy roalahy mpitandrina. Nantrika fiaraha midinidinika niarahan’ireo mpitondra fianarana "Pasteurs" eran-tany “World Alliance of Reformed Churches “.
Niaraka nivory tamin’ny birao tao amin’ny tranon’Atoa Carol ny 23 Jona 2007 ny Pasteur Laurent William Ramambason Doyen ny Faculte de Theologie ao Ambatonakanga.
Fiarahamiasa iharahana amin’ny FKM-NY sy ny Kolejy roatonta.
Tapaka fa akoatr’ireo fanampiana boky efa natomboka sy natao teo aloha dia lohahevitra telo no mbola ho ataontsika mianakavy ho an’ny fampianarana Pasteur ao Madagasikara.
Nifankahita indray teny amin’ny fankalazana ny fetimpirenena Malagasy teny Queens ny Pasteur Laurent William Ramambason. Nampiditra ny tenany tamin’ireo Malagasy tonga teo ary indrindra ny Ambasadaoro Zina Randrianarivelo-Razafy izy moa tamin’izay.
Asa ataon'ny Fiangonana Fifth Avenue Presbyterian Church any Madagasikara. Avy amin'Atoa Jacky Radifera loholona ao amin'ny FAPC sady diakona ato amin'ny FKM-NY.
Mitohy hatrany ny fiaraha-miasa eo amin’ny Fifth Avenue Presbyterian Church (FAPC) New York sy ny Fiangonan’ny Jesoa Kristia ao Madagasikara (FJKM).
Tamin’ny taona 2007, dia nahavory vola 5000 dollars US, na 10.000.000 Ariary ireo sakaizan’i Madagasikara mpikambana ao amin’ny FAPC, nalefa natao fanampianana ho an’ny fiangonana FKKM ao Ambohijanaka, Antananarivo. Tanteraka izany hetsika izany nohon’ny fanentanana izay nataon’ny loholona Jacky Radifera, Kevin Taylor ary Charlie Dougherty, teo anivon’ny mpiara mivavaka, taorianan’ny iraka nampanaovin’ny FAPC azy ireo tany Madagasikara tamin’ny volana Septambra 2006.
Io vola io, araky ny fangatahan’ny fiangonana Ambohijanaka, dia nentina nanamboarana ny trano fiangonana. Pasteur RAVELOSOA no mpitondra ao amin’io fiangonana io. Ramatoa Josiane vadiny dia tompon’andraikitra ao amin’ny FJKM fohibe. Izy dia nanampy fatratra ireo solotenan’ny FAPC tamin’ny fandalovan’izy ireo indroa miantoana tany Madagasikara.
Rava tanteraka tamin’ny fandalovan’ny cyclones nisesisesy tamin’ny taona 2004 ilay trano fiangonana. Lasan’ny rivo-doza ny tafo ary simba avokoa ny tao anatiny. Na dia teo aza izany dia nanohy ny fotoam-pivavahana teo amin’io toerana io ihany ny fiangonana. Azofisaka no natao dabilio ipetrahana. Hatramin’izay dia nihezaka hatrany ny mpikambana nanamboatra ny simba.
Nisy kristiana teratany koreana sendra nandalo teny ambony fiaramanidina nahita ny fahasimbana, dia tonga nanantona ny FJKM ary nanolotra fanampiana ho fanoloana ny tafo. Betsaka anefa ny mbola tsy vita tamin’izany fotoana izany, izay tsy tratry ny herin’ny fiangonana, toy ny fanoloana dabilio, varavarana, fanamboarana ny tany sy ny pilpitra, ka izany indrindra no nahatonga ireo kristiana malala tanana ao amin’ny FAPC nanome ny anjara-birikiny tamin’izao hezaka izao.
Amin’izao fotoana izao, dia mampisaotra an’Andriamanitra fa vita soa amantsara ny asa rehetra, araka ny vaovao nampitain’ny Pasteur RAVELOSOA tany amin’ny FAPC. Tamin’ny anaran’ireo rahalahy sy anabavy rehetra mpiangona ao amin’io fiangonana io, dia tsy nanadino izy nanantitra ny fisaorana sy fankatelemana ho an’ny sakaizan’i Madagasikara ao amin’ny FAPC ary koa manasa solotenan’ny fiangonana hanatrika ny fitokanana ny trano fiangonana vaovao, izay hatao amin’ny volana Septambra ho avy izao.
Midera an’Andriamanitra ny sakaizan’i Madagasikara ao amin’ny FAPC afaka nanome tanana tamin’ny fanarenana ny tranon’Andriamanitra any lavitra any, izay tsy aiza fa any amin’ilay tanindrazana malalantsika.
Fankaherezana lehibe sy toro-lalana ho an’ny mpino no azo tsohaina amin’ny toe-javatra toy izao:
“Rehefa matotra ny finoana sy mitoetra ao aminao mandrakariva ny fitokisana an’Andriamnitra, ary koa misy ny fihezahana, dia ho voasedra avokoa ny loza sy ny fahasahiranana rehetra izay mety mitranga, na eo amin’ny fiainan’ny tsirairay avy izany na eo anivon’ny fikambanana misy anao.”.
Handeha hody any Madagasikara ny fianakaviana Randresihaja Armand sy Sahondra ny 11 Jona 2007. Vita ny asa anjara andraikiny tao amin'ny Mission de Madagascar aupres des Nations Unis. Armand moa dia anisan'ireo diakona nandray andraikitra voalohany teto amin'ny FKM-NY niaraka tamin'ny andihiny voalohany nanangana ny fiangonana eo amin'ny fototra misy azy amin'izao fotoana izao. Voafidy ny Desambra 2004, noraisin-tanana ny Paska 2005, niasa hatramin'ny Paska 2007.
Anisan'ireo mamy hoditra teo amin'ny fiaraha-monina eto New York izy mivady. Hita foana ary nandray anjara tamin'ireo hetsika isan-karazany teny ivelan'ny raharaham-piangonana izy. Tsy hay ny tsy hisaotra azy ireo amin'izany fandavatenany ary finiavany hampandroso ny fifankatiavana/firahalahiana tamintsika mianakavy eto New York sy ny manodidina izany.
Nanokana fotoana manokana ary ny teto amin'ny FKM-NY hanaovana veloma azy ireo mialohan'ny hisarahany amintsika mianakavy. Notontosaina izany fotoana izany ny Alahady 3 Jona 2007, tao amin'ny SPC Elizabeth NJ no nanaovana izany. Nisokatra ho an'ny malagasy rehetra ny fotoana. Olona 60 no nantrika io fotoana io.
Nosokafana tamin'ny fivavahana-fangatahampitahiana ny fotoana. Ny Pasteur Andriani no nitarika izany, narahin'ny tsodrano avy amin'ny filohan'ny Fiangonana Rakotomalala Norbert izay narahin'ny teny avy amin' Atoa Armand Randresihaja. Izy moa dia nampahatsiahy ny fotoana niarahany nihaina tamin'ny vahoaka malagasy eto New York nandritry ny 15 taona mahery. Nagatsiahy ny fahatongavany teto izy ary ny nisian'ireo ankizy teraka tamin'izany fotoana izany. Ireo ankizy ireo moa dia efa ho 15 taona daholo amin'izao fotoana izao.
Mitombo hoy izy isika eto New York, mahafinaritra izany ary maniry izy ny hisian'ny firahalahiana sy ny fifankatiavana eto amin'ny samy malagasy mihaina aty. Nilaza moa izy fa ny fisian'ny FKM-NY no anisan'ny nanamarika ny fianiany teto New York. Manasa ny olona izy hanatevina ny fiaraha-mivavaka eto New York ny amin'izany, zava-dehibe eo amin'ny fiainantsika malagasy ny fivavahana hoy izy. Abohimpiaonantsika mianakavy ny fitsanganan'ny fiangonana sy ny raharaha hatao ao ary mampiray antsika mianakavy amin'i Jesoa Kristy aty antanilavitra aty. Izany dia tontosaina amin'
ny fitenenandrazantsika.
Notohizana tamin'ny fiaraha-mikorana ara-pianakaviana ny fotoana. Noredonina indray ireo hira malagasy tsy tontan'ny ela ary mamelombelona ny maha malagasy aty antanilavitra aty. Tsy ary voatanisa tsirairay ny hira sy ny lalao nitranga tao ary ireo olona nanatrika. Tsidiho atsy amin'ny rohy Sary izay ahitana topy maso ny tao tamin'iny andro iny. Isaorana manokana ireo tonga nanatrika sy nanao velona ny Fianakaviana Armand Randresihaja.
Ny masoandro mody tokoa moa no nampalahelo tamin'iny fotona iny. Niredona hatrany ny Hira "Veloma" sy ny "Raha hifandao isika izao". Ireo tsy afaka nanatrika moa dia nametraka fialantsiny ary maniry ny hifankahita soamantsara amin'ny fianakaviana indray. Teo amin'ny fanapahana ny mofomamy fanaovam-beloma no nanamafisan'Atoa Randresihaja ny fahamamian'ny fiarahana teto New York dia maniry koa izy ny hifankahitana idray na aty na any antanindrazana.
Natao ny Alahady 8 April 2007 ny fankalazana ny paska teto amin'ny FKM-NY. Tao amin'ny fiangonana SPC Elizabeth NJ mahazatra no natao ny fotoana. nanomboka tamin'ny telo ora sy sasany izany. Atoa Norbert Rakotomalala filoha vaovao voafidy tamin'ny 28
Janoary 2007 no nitarika ny fotoana. Samy nandray anjara tamin'ny fanatanterahina ny fivavahana daholo ireo birao vaovao voafidy, vakiteny sy vavaka. Mbola nandray anjara tamin'ilay hira "Tsy misy soa ho ahy" koa ny antoko mpihira eto amin'ny FKM-NY. Ny nampiavaka ny fotoana tamin'ity dia ny fanamasinana sy fandraisantanana ireo diakona hiasa mandritry ny roa taona manaraka.
Nitondra ny tenin'Andriamanitra tamin'ny Paska ity ny Pasteur Samoela Andriani. Ny lohateny noentiny moa dia ny hoe :
" HAMBOARINA NY EFA LAO HATRAMIN'NY FAHINY, HOAVAOZINA INDRAY NY TANANA RAVA".
Nifantoka indrindra tamin'ny FANAVAOZANA ny fanekena sy ny fanarahana an'i Jesoa Kristy
ny hafatra nalefa. Nifandray tamin'ny fandraisana ireto mpandraharaha vaovao moa izany.
Nohamasinina nandritry io Paska io Rtoa Francine RAVELOJAONA; noraisintanana koa Atoa isany Jacky RADIFERA, Rolls Pascal RAFAMANATANANTSOA, Norbert RAKOTOMALALA, Samoela RANDRETSANILO, Andre RASANDIHARISOA, Carol RAZAFINDRAKOTO ary Rtoa Bakoly RAJERISON. Ny fanamasinana dia
natao ho an'ireo izay mbola tsy voahositra ho diakona talohan'izao fotoana izao. Ny fandraisantanana kosa dia natokana ho an'ireo izay efa nanao io asa io talohan'izao fotoana izao na tato amin'ny FKM-NY izany na tany amin'ny fiangonana hafa misy azy tany. Nohamafisina tamin'ny hira narahin'ireo
fianakavian'ny tsirairay niaraka niredona ny "Mananjara ry Jesosy !".
Akoatran'ny rakitra ho an'ny fiangonana dia nanao rakitra Vonjiranovaky io Alahady io. Natao izany hanampiana ireo any Madagasikara nohon'ny fandalovan'ny rivo-doza tamin'ity taona 2007 ity, ary koa ho famaliana ny fangatahana nalefan'ny Fanjakana Malagasy ny amin'ny filana fanampiana.
Ny rakitra voaangona voalaohany dia $470.00 (ho an'ny fiangonana)
Ny faharoa dia $350.07 alefa any Madagasikara. Ny mpitanbola no hametraka izany ao amin'ilay kaonty amin'ny Banky voalaza ao amin'ny hafatra avy any antanindrazana.
Nisy fandraisana ny Fanasan'ny Tompo tamin'ity andro ity. Nanasana ny olona rehetra tonga teo izany ary tia hanatoana ny latabatra masin'ny Tompo.
Olona 60 no tonga nanatrika ity fotoampivavahana Paska 2007 ity. Isaorana tamin'ireo olona tonga nanatrika Atoa Rakotonavahy Manantsoa telo mianaka (Ambasadaoro Lila Ratsifandriamanana, solotenan'ny Firaisambe Afrikanina eo anivon'ny Firenena Mikambana). Voalohany nahatongavany tamin'ny fiarahantsiaka malagasy mivavaka eto
New York moa izao. Niarahaba azy manokana ny Pasteur Andriani nandritry ny fotoana. Ny faniriana moa dia ny hitahian'Andriamanitra azy ireo ary hijoro hiaraka amin'ny Tompo mandrakariva ary koa hazoto hiaraka amintsika malagasy eto New York hankalaza ny Tompo. Ny rehetra nanatrika koa anefa dia hisaorana manokana ary ny Tompo anie homba azy ireo mandrakariva
amin'ny fijoroany ho vavolombelony. Arahabaina toa izany Daniel sy Rondro ANDRIAMAHAROSOA, Vero RATSIFANDRIAMANANA telo mianaka izay samy voalohany nanatrika ny fiarahana mivavaka eto amin'ny FKM-NY.
Toy ny mahazatra dia nofaranana tamin'ny fiarahana misakafo ampirahalahiana ny fotoana. Nandritry io fotoana io dia nihira ny hira malagasy hanembonana ny tanindrazana ny rehetra teo.
Voninahitra ho an'ny TOMPO JESOA irery ihany.
Nandalo teto New York ny Pasteur Lala Rasendrahasina mivady filohan'ny FJKM ary FFKM amperinasa amin'izao fotoana izao.Niaraka taminy koa
Atoa Andrianarivelo Olivier mivady, mpitambolan'ny FJKM. Manatontosa ary manantitra ny fiaraha miasa misy eo amin'ny FJKM sy ny PCUSA no anton-dihan'izy ireo. Ny Synoda North-East eto amin'ny PCUSA moa no
tena manana sahan'asa miaraka amin'ny FJKM. Noho izany dia nandalo tany Syracus (toerana misy ny Synoda N-E PCUSA) ry zareo ary nanohy ny dia teto New York.
Ny Alahady 25 Marsa 2007 dia niara-nivavaka tao amin'ny Fifth Avenue Presbyterian Church (FAPC) ry zareo. Nanasana ny malagasy rehetra moa io fotoana io.
Nandray fitenenana tao ny Pasteur Rasendrahasina, nilazalaza ny fandrosoan'ny fifandraisana misy eo amin'ny PCUSA amin'ny akapobeny sy ny ao amin'ny FAPC
manokana izy. Nandritry io andro io dia mbola namelabelatra lohahevitra izy: "CHRISTIANITY AND THE WORSHIP OF ANCESTORS IN MADAGASCAR". Tao amin'ny Kirkland Chapel izany no natao. Fiarahamiasa amin'ny
Followship Club izay ao amin'ny FAPC ny fotoana.
Nanaraka an'io fotoana io dia nisy fiarahamisakafo niarahana tamin'ireo olona tonga nanatrika. Notohiza ny fotoana tamin'ny fanazavana ny Madagasikara Amperinasa - Madagascar Action Plan (MAP). Izay politika akapobeny
entina ampandrosoana an'i Madagasikara amin'izao fotoana izao. Izany no natao dia manaraka ny fiantsoana avy ao amin'ny Mission de Madagascar eo anivon'ny ONU. Ny ambasadaoro Zina Andrianarivelo-Razafy no tompon'antoka tamin'ity
fanazavana ity. Nanampy azy nanazava moa Atoa isany Lala Rasendrahasina sy Olivier Rene Andrianarivelo (depioten'i Madagasikara avy ao Antsirabe). Nozaraina ilay boky MAP ny olona izay nanatrika teo.
Nanomboka tamin'ny telo sy sasany ny fotoana.
Atoa Rakotomalala Norbert no nitarika ny fotoana tamin'ny vavaka sy hira. Ny Pasteur Andriani kosa no nitanatana ilay ady hevitra mitondra ny Lohateny hoe "Nahoana Andriamanitra no tsy mamonjy amin’ny andro izay ilàna Azy?”.
Niroso tamin'ny filazan-draharaha:
Ny hanaovana ny Fundraising dia toa izao.
Marihina fa isika malagasy no angatahina handray andraikitra amin'ny fanetanana ary mampiseho ny fahaizantsika mandray olona amin'io fotoana io. Fotoana ahafahantsika mampiseho ny maha malagasy antsika koa moa io andro io indrindra amin'ireo amerikanina samihafa tia ahalala sy hifankahazo amin'ny malagasy.
Izay tsy iza fa isika eto New York sy ny manodidina aloha voalohany ary avy eo ny any Madagasikara.
Araka ny voalaza tamin'ny filazandraharana dia miangavy antsika rehetra samy hitondra ny talenta sy fahaizany tsirairay avy ahatanteraka soamantsara ity fotoana ity ary ahazoana ny Tanjona tratrarina.
Ny amin'ilay Harona varotra/antsapaka dia miangavy antsika rehetra mba hanome/handray anjara amin'io. Ny azo hatao dia aleafa amin'Atoa Pascal Rolls ireo vakoka malagasy mety heverintsika fa hanintona olona ka mety hatao fanampiana amin'io andro io. Izy no handrindra ny rehetra avy eo.
Dia mametraka ny fisoarana mialoha amin'ny fahazotoana sy fandraisanareo anjara sahady.
Tao aorianana'ny filazana vaovao dia niroso tamin'ny fifidianana ireto biraom-piangonana/diakona vaovao hitantana ny FKM-NY ny rehetra.
Diangana Voalaohany:
Dingana Faharoa.
Dia ankino amin'Andriamanitra ny fitondrana sy ny fandaminana rehetra avy amin'ny alalan'ny vavaka hataontsika ho an'ny FKM-NY.
Fanampim-baovao nadritry iny fotoana 28 Janoary 2007 iny:
Ho an'ny fiangonana Kristianina malagasy.
Efa naroso ho an'ny daholobe moa ny oronantsary tamin'iny fotoana iny ary mbola azo jerena ato :
Mialoha ny fankalazana nataon'ny ankizy dia nakalaza an'Andriamanitra tamin'ny fotoampivavahana Krismasy ny vahoaka mpino eto New York sy ny manodidina. Nanakoako ireo hira Krismasy
izay nohiraina tamin'ny teny malagasy.
Isaorana manokana eto ireto olona hafa izay nandray anjara tamin'iny fotoana iny: Voahangy R.; Lydia sy Soatahiana R.; Fano; Luck; Junior izay nanafana tamin'ny fitendrena piano. Akoatra azy ireo dia isaorana koa ireo Ray aman-dreny
izay nandany fotoana nikarakara sy nampianatra ireo ankizy.
Isaorana toa izany ny "Fist Presbyterian Church, Elizabeth NJ" izay nampiantrano antsika tamin'ity taona 2006 ity. Efa nampitaina tamin'ny "Rev. Corina Rodriguez" moa izany fisaorana izany. Akoatran'izay dia Misaotra an'Atoa Razafitsiaroivana Mamy mianakavy
nampindrana ny zava-maneno nampiasaina.
Vononahitra dia ho an'i Jesoa Kristy irery ihany.
Natao ny alahady 29 Desambra fankalazana ny krismasy tamin'ity taona ity. Fotoam-pivavahana sy fety nataon'ireo ankizy ary ny fifidianana amin'ny fomba ofisialy ireo birao vaovao voataondro tamin'ny volana Jona no niopanan'ny fotoana.
Isaorana manokana ireto olona ireto nanafana sy nadray andraikitra tamin'io andro io.
Ireto avy ireo biraom-piangonana:
Efa nomena andraikitra tsirairay avy amin'ny asa fampandehanana ny fiangonana ao amin'ny vaomiera moa ny tsirairay avy.
Nofaranana tamin'ny fiaraha-misakafo ny fotoana.
.
Tontosa soamantsara ny fankalazany ny fetim-pirenena 2005 tamin'ny alalan'ny fivavahana. Toy ny isan-taona dia tao amin'ny Second Presbyterian Church no nanaovana izany.
Ny nisongadina dia ny nakalazana izany fotoan izany tamin'ny zava-maneno isan-karazany (Guitare sy aponga). Hita tokoa iny hetsika iray iny fa nampisy aigam-panahy vaovao
teo amin'ny rehetra.Ny faniriana dia ny hisian'ireny amin'ny fandaharana hafa izay hatao.
Nandritry ity fotoana ity koa no nampahafatarina ny vahoaka malagasy sy izay nanatrika teo ny Ambasadaoro Lila RATSIFANDRIAMANANA mivady, solotena maharitry ny Firaisambe Afrikanina eo anivon'ny Firenena Mikambana. Izy moa dia voatendry ary nandray asa
tamin'ny faraparan'ny taona 2006 lasa teo. Niseho sy nitafa ny amin'ny fisian'ny FKM-NY tamin'izy ireo, ireo solotena FKM-NY nanatrika tao.
Fiarahana mivavaka miendrika fifanakalozankevitra moa no natao koa nandray fitenenana tamin'izay hevitra fantany amin'io lohahevitra io ny rehetra.
Nohon'ny fahateren'ny fotoana tamin'io andro io dia nafohezina ny dinidinika.
Ity vaovao ity dia tsy notanterahina araky ny voalaza eto.
Noho izay dia mangataka izahay mpandrindra mba hifidy ny zavatra ho entiny ny fianakaviana tsirairay avy.
Aiza misalasala ary manotany ireto olona ireto amin'ny fanampim-baovao sy ny fanotaniana hafa:
Atoa isany Carol Razafindrakoto, Jacky Radifera, Rolls Pascal Rafamanatanantsoa, Armand Randresihaja.
Raha ela indrindra dia ny faha 25 Febroary izy ireo dia efa tokony ho antanany ahafahany mikarakara izany.
hanao famerenana hira sy vakodrazana haseo amin'io andro io isika ka ny fotoana dia Asabotsy telo mialoha io daty 24 Martsa io. Izany hoe itreto avy:
Asabotsy 3, 10 ary 17 Marsa 2007. Samy ao amin'ny CPC no anaovana azy ireo ka amin'ny 3 ora hariva ny fotoana. Koa homany arak'izany aza ny fotoananao.
Tao aorianana'ny latsabato mihafina dia ireto avy no lany:
Tsy maintsy mbola hisy moa ny fifanarahana amin'ny ho ao amin'ny birao nohon'ny fanambarana ampahibemaso nataon'Atoa isany Jean Claude Rakotoniaiana sy Percy Ranaivohajarivony ny amin'ny fifanindriana eo amin'ny asa/fotoana ataon'izy ireo sy ny mety hiantraikan'izay eo amin'ny fampandehanana ny asa ato amin'ny FKM-NY.
Ho entina ambavaka izany mba ho ny sitrapon'ny Tompo noho tanteraka eto anivontsika mianakavy sy ny FKM-NY.
Ny hevitra iray miroso koa dia ny hapiakarana an-dRtoa Lalao Ravelojaonina ao anatin'ny birao. Izy moa no nahazo vato be manaraka ireo voalaza etsy ambony ireo. Ny faniriana niseho nadritry ny fifidianana koa dia nampiseho ny mba hisian'ny solotena vehivavy izay maro anisa eto amin'ny FKM-NY ao anatin'ny birao.
Nanasa ny rehetra Atoa Jacky Radifera hanotrona an'Atoa Lala Rasendrahasina filohan'ny FJKM amin'ny fivavahana ny Alahady 25 Marsa 2007. Izany dia ao amin'ny Fifth Avenue Presbyterain Church amin'ny fotoampiangonana mahazatra.
Manaraka izany dia nanolotra "Carte" fisaorana Rtoa Aline Razafimanpiandra. Toa izao ny vakin'ny voasoratra ao anatiny :
Tsy hainay ny tsy hisaotra anareo Fiangonana Kristianina Malagasy nohon'ny fampihononana sy fampaherezana ary fitondranareo ambavaka raha tao anatin'ny andro manjombona izahay.
Misaotra anareo koa mbola nanolotra fao-dranomaso ambonin'izany.
Mankasitraka sy mankatelina tompoko, ary mbola mangataka vavaka aminareo hatrany.
Aline Razafimampiandra telo mianaka
Hulda Claude Andrianandrasana
46 no isan'ny olona nanatrika iny fotoana iny.
Fotoana lehibe teo amin'ny fiangonana ny Paska 2005.
Ny nitarika ny fotoana dia Pasteur Solofo Ratsimiseta.
Mialy Rabe Ranjanivo, tompon'andraikitra ao amin'ny topy internety "NY TENIN'NY FIAINANA", izay nitory teny.
Pasteur Ratsimiseta Solofo namaky teny.
Ary ny rehetra natsoina ka tonga nanatrika ny fotoana.
Tao aorianan'ny fivavahana sy ny fankalazana nataon'ny ankizy dia niroso tamin'ny fifidianana ny filohan'ny fiangonana.
Lany tamin'io fotoana io fa ny ho filoham-piangonana dia Atoa CAROL RAZAFINDRAKOTO.
Nandritry ny fivoriana dia voaposaka ny amin'ny fomba nanodroana ireo komity vaovao sy ny mety ho an'ny fiangonana hampandeha tsara ny raharaha. Noamafisina izany fa ireo olona sivy voatendry tamin'ny volana Jona aloha no anomboka ny asan'ny fitondram-piagonana.
MANDRITRY NY ROA TAONA. Hisy indray ny fifidianana amin'izay fotoana izay koa ireo izay tia hilatsaka sy mazoto amin'ny asan'ny Tompo rehetra no antsoina handray ny andraikitra.
Nohamafisina tamin'ny tsangatanana moa ny fandraisan'ireo birao vaovao ny andraikitra.
Nanao diangana hafa indray ny fiarahana mivavaka satria teo no nanapahana fa hatsangana ny birao raikitra hitondra ny fiangonana. Nanotany manokana ireo olona tonga matetika sy mazoto
nanatrika fivavahana i Pasteur Andriani ny amin'ny andraisan'izy ireo andraikitra amin'izany. Nanao ny fivoriana voalohanay tamin'io andro io ireo olona nanaiky ny andray andraikitra ho birao.
Voalaza fa hisy fiofanana sy fampianarana ny amin'ny asan'ny mpitondra fiangonana alohan'ny andraisan-tanana azy ireo. Sivy ny olona voatondro andray izany andraikitra izany. Folo miampy ny Pasteur Andriani
moa izany ny olona tao anatin'io komity vaovao io.
Tapaka fa atomboka isan-tokatrano ny fiofanana.
Nozaraiana ny vaomiera koa ireto avy no voalaza: Sampana Trano fivoriana sy zava-maneno;Sampana antoko-pihira; Sampana Sekoly Alahady; Sampana Dorkasy; Sampana fifandraisana;Sampana fandalinam-pinoana sy famangiana pastoraly.
Marihina fa Pasteur Andriani no nitantana ny fiofanana rehetra.
Isaorana ny rehetra tsy nadrarak'ilo mby andoha ary nada tena nanatrika ireo fotoana rehetra ireo.
Natao ny Alahady 11 April 2004 lasa teo ny fiaraha-mivavaka nohon'ny Paska. Nampiavaka ny fotoana ny nitondran'ny Pastora Solofo Ratsimiseta ny tenin'Andriamanitra. Nanao hira manokana koa moa izy mivady (Pastera Solofo sy Marthe Ratsimiseta) nampahatsiahy indray fa ny famonjena dia avy amin'i Jesoa Kristy Tompo. Nanao rakitra roa moa tamin'iny fotoana iny:
Nandritry ny vaovaom-piangonana dia voatendry fa ny fotoana manaraka dia ny 27 Jona 2004, Izany dia miditra ao amin'ny fankalazana ny fetim-pirenena Malagasy izay ny 26 Jona. Ary ny
fankalazana ny Krismasy dia ny26 Desambra 2004. Ny fotoana roa ireo dia ho tontosaina ao amin'ny fiangonana "Second Presbyterian Church, Elizabeth NJ" daholo.
Mifampiraharaha amin'ny Pastora ao amin'ny 'First Presbyterian Church of Manhattan' amin'izao fotana izao ny Pastora Samoela Andriani. Mikasika ny ampiasantsika mianakavy io toerana io amin'ny taona ho avy ny
anton'izany izany fifampiraharahana izany. Anisan'ny planina ny ampihodina ny fivavahana amin'ireo toerana manodidina eto New York izany. Mampahatsiahy aho fa ny fivavahana niaraka tamin'ny Mtelo dia
roa (2) taona no tao Brooklyn 'St JME Lutherian Church'. Ho tontosa amin'ny faran'ity taona ity ny roa taona eto New Jersey. Izao tanjona hanaovana ny fivavahana any Manhattan dia anisan'ny hetsika hanatonana bebe kokoa ireo malagasy maro
mety hanatrika ny fotoana.
Nanampy ny vaovaom-piangonana moa ny ireo namana namoy ireo olon-tiany:
Araky ny tapaka tamin'ny fivoriana tamin'ny volana Novembre 2003 dia hatao any Canada ny fivoriambe iraisan'ny Kristiana aty Amerika Avaratra amin'ity taona 2004 ity. Efa nandefa ny antso ny amin'izany ary ny handray, dia ny Fiangonana ao Canada. Voalaza fa amin'ny 3-4-5 Septembre no atao izany ao Montreal raha tsy misy ny fiovana. Manasa ny rehetra ary efa hiomana dieny izao ny amin'izany fotoana izany. Avoaka eto ihany ny vaovao sy andinindininy mikasika izany fotoana izany mandra-pahatonga an'ireo andro ireo.
Araka ny fanao isan-taona dia nakalaza krismasy ny mpiara mivavaka eto New York. Notontosaina ny Alakamisy 25 Desambra 2003 izany. Nampitondraina ny lohateny hoe
"Krismasy Fahazavana" ny fotoana. Nampiavaka ny fotoana indray ny fandraisan'ireo ankizintsika anjara tamin'ny tsianjery sy tantara nahaterahan'i Jesoa Kristy tamin'ny teny malagasy.
Misy sary nalaina tamin'iny fotoana iny. Miezaka ny mamadika azy ho amin'ny CD Atoa Rolls Pascal. Raha tontosa soamantsara izany dia atolotra antsika rehetra ihany. Ny fotoam-pivavahana amin'ny paska izao no kendrena ahafahan'ny rehetra mijery izany
horonan-tsary izany.
Akoatran'ny rakitra dia nanangona vola manokana isika rehetra tamin'iny fotoana iny atolotra ny fiangonana nampiatrano nohon'ny fankasitrahan-tsika ny fandraisan-dry zareo ny akabeazan'ny hetsika malagasy natao rehetra tamin'ny taona 2003 (Spaoro-vavaka sns...). $75 no voaangona tamin'izany. Nampian'ny efa fanome mahazatra moa izany. Teo amin'ny $150 izany no nomena ny fiangonana "Second Presbyterian Church" tamin'iny faran'ny taona iny. Ny ambin'ny rakitra moa dia nomena ny Pasteur Andriani ho entina mikarakara ny fotoana manaraka sy ny asa miankina amin'ny fampandehanana ny fiangonana Malagasy Miara-Mivavaka.
Nohon'ny fitahian'Andriamanitra dia tontosa soamantsara ny fihaonambe niarahan'ireo malagasy kristianina taty Amerika Avaratra.
Nisy topy internety manokana nanaovana tatitra ny zavatra nitranga tamin'ireo roa andro ireo. Napetraka ao koa ny fisaorana avy tamin'ny Pasteur Samoela Andriani nohon'iny fotoana iny. Manasa anao hitsidika io topy io. Ho azo amin'ny roy ambony ao amin'ny FANASANA sy ANTSO izany. Na koa tonga dia azonao tsidihina ato :
FIHAONAMBE 2003.
Toy izao ny tatitra ara-bola tamin'iny fotoana iny. Rakitra voaangona $466. Lany nanatontosana ny fihaonana izy rehetra io.
Fikarakarana nahavita tena moa no nokendrena tamin'iny fotoana iny.
Ny $316 izany dia nolaniana tamin'ny sakafo sy ny entana nilaina.
$175 dia nomena ny fiangonana ho fandraisana anjara amin'ny fandaniana natao tao.
Hisaorana manokana koa ireo olona nadray ajara maimaipoana tamin'ny fandaniana sy ny fandraisana olona. Isaorana manokana Atoa Charles Whelan sy Nivo vadiny.
Torak'izany koa ireo nanao raharaha fikarakarana sakafo sy fandraisana. Isika rehetra moa no tao koa dia ohatran'ny misaotra tena ihany amin'izany.
Ny Voninahitra dia ho an'Andriamanitra irery ihany.
Nandritry ny fotoana nandalovan'ny filoha Ravalomanana Marc teto New York hanatrika ny fivoriamben'ny Firenena Mikambana dia niresadresaka tamin'ny 'diaspora' malagasy izy. Tao amin'ny Astoria Manor no nanaovana izany. Nanaiky ampanetrentena ny hitarika fotoam-pivavahana tamin'izany fotoana izany ny Pasteur Samoela Andriani izay mitarika ny NYMTelo. Novelabelariny fohy aloahan'ny vavaka fanokafana ny amin'ny niantsoan'Andriamanitra indray ny zanaky Israely handray ny toerana maha izy azy. Izay nalainy tahaka tamin'ny Firenena lmalagasy moa izany.
Nohon'ny tsy fahatongavan'ny Pasteur Solofo Ratsimiseta tamin'iny fotoana io dia nisolovaika ny akalana indray Pasteur Andriani hamarana ilay fotoana tamin'ny valo ora alina. Foatoana nahafahany namelabelatra tamin'ny malagasy tonga tao ny amin'ny hetsika fivoahan'ny Baiboly vaovao Dikateny Iombonana, DIEM izany. Koa dia nanasa ny vahoaka malagasy indray amin'izany fotoana izany ny ao amin'ny MTelo. Ny fotoana dia amin'ny faran'ny herinandron'ny 11-12 Octobra 2003. Ny Asabotsy dia fanpahalalana ireo fikambanana aton'ny malagasy eto Etats Unis, ary fampahalalana an'i Madagasikara. Ny alahady dia fanopoam-pivavahana ho fiderana an'Andriamanitra nohon'ny nahavitana soamantsara ny baiboly DIEM. Nohon'ny antony ara-panotana sy fanitsiana vitsivitsy dia mbola tsy ampelatanana ny baiboly vaovao. Ny voalaza avy ao amin'ny Fikambanan Mampiely Baiboly Malagasy FMBM dia amin'ny volana Desambra any vao aparitaka ho an'ny daholobe ilay Baiboly vaovao. Foatoana hanaovantsika fankalazana izany ireo andro ireo. Tsy mbola hahazo ampelatanana ny baiboly DIEM akory isika rehetra eto Etats Unis amin'ireo andro ireo.
Koa dia manasa ny malagasy rehetra izany hanatrika ireo fotoana ireo ary ampilaza ireo tapaka sy namana. Ny fanasana amin'io fotoana dia hitanao ato.Ny fandaharana ankapobeny kosa dia azo jerena ato.
Vita soamantsara ny fankalazana ny fitsigerenanan'ny fetin'ny Fahaleovantena Malagasy tamin'ny fanopoham-pivavahana. Ny Alahady 29 Jona tamin'ny telo ora hariva no nanaovana izany. Ny toerana dia tao amin'ny Second Presbyterian Church Elizabeth New Jersey. Notarihin'ny Pasteur Samoela Andriani ny fotoana. Natrehin'ireo malagasy maro mipetraka sy monina eto amin'ny manodidina
an'i New York. Natrehin'Atoa Zina Andrianarivelo-Razafy mivady, Ambasadaoron'i Madagasikara eo anivon'ny Firenena mikambana. Fotoana voalohany niarahana tamin'izy mivady iny, amin'ny manaraka dia antenaina ny fiaraha-miasa eo anivon'ny soletenan'i Madagasikara sy ny fiangonana NYMtelo.
Akoatran'ny rehetra izay tonga natrika dia isaorana manokana ireto nandray anjara nahatontosa ny fotoana ireto.
Ho voninahitry ny Tompo irery ihany anie ny vita rehetra.
Toy ny fanao isaky ny fotoana fankalazana dia manadray andraikitra isika hanampy ny fiangonana na ny olona any Madagasikara. Araky ny efa nolazaiana dia ny KERE izay mianjady any atsimo no noezahina nampiana tamin'ity fankalazana ny 26 Juin ity.
Toy izao ary ny vola voaangona tamin'iny fotoana iny. Nozaraina izy ireo amin'ny fikarakarana ny raharaham-piangonana sy ny KERE.
Nisy rakitra roa no natao nohon'ny fifandisoan-kevitra:
Nankalaza ny krisimasy 2002 isika teto New York sy ny manodidina tamin'ny 29 Desambra 2002 lasa teo. Tanteraka soamantsara izany fotoana izany nohon'ny fitahin'Andrianmanitra. Misy sary sy tatitra tamin'iny fotoana iny izay hitanao ato.
Nahazo fapandrenesana avy amin'ny foiben'ny synoda Avatra Atsinanana an'ny Presbyterianina koa isika fa nofohazina indray ilay ezaka fanangonana entana ataon'ny Presbyterianina izay alefa any Madagasikara. Container no ho fenoina ireo entana ilaina (toy ny Fanafody, kojakoja ilain'ny dokotera, boky teolojika (Frantsay na anglisy) sy kojakoja hafa akoatran'ny lamba akanjo voazaitra (friperie, izay tsy raisina).
Amin'ny volana May 2003 no eritreretina andefasana ny container. Ny FJKM any Madagasikara no hivatanan'ny entana ary ry zareo no mitantana azy. Marihina fa mpiara miasa efa antaonany izay ny Presbyterianina NorthEast sy ny FJKM. Dingana hataon'ny Presbyterianina izao mba hanampiana ny malagasy amin'ny akapobeny. Hisy solotena avy aty Etats-Unis izay hanaraka ny entana sy handray andraikitra aminy fitantanana izany.
Ny angatahina amintsika dia:
Marihina fa ny fiangonana Presbyterianina rehetra ato amin'ny Synoda Avaratra Atsinanana no mandray anjara amin'izy ity.
Io synoda io dia mahafao ireto faritra ireto:
Vita soamantsara ny fiarahana mivavaka nankalazana ny fahaleovantenam-pirenena 26 Jona 2002. Tao anatin’ny sahotaka ara-politika nitranga tany Madagasikara moa no nanaovana ny fotoana koa niompana be dia be tamin’izany ny ranom-bavaka natao. Isaorana koa ireo rehetra tonga nanatrika ny fotoana. Ny voninahitra ho an’Andriamanitra irery ihany.
Naka fanapahan-kevitra ny mpikarakara fa hanampy fikambanana mikarakara fanabeazana any Madagasikara. Ny trano fitaizana zaza kamboty eny Tangaina , Ampitatafika, no tinendry tamin’izany. Tapaka fa ny rakitra tamin’io fotoana io dia alefa tanteraka any amin’io fikambanana io.
Vola $214 no voaangona tamin’izany. Ny pasteur Samoela Andriani no nandray andraikitra ny fanomezana io vola io any. Tanteraka soamantsara izany ka toy izao ny tatitra:
Miarahaba antsika rehetra
Izao vao voaraiko ny rosia avy any amin'ny Toerana Fitaizana Zazakamboty eny Tangaina, Ampitatafika,
Antananarivo. Mampahatsiaro fotsiny aho fa tamin'ny volana Jona lasa teo isika fiangonana no nanao rakitra ho fanomezana ho an'io toerana fitaizana zazakamboty io. $ 214 ny vola voaangona ary nialan'ny frais dia 1.275.000 Fmg ny vola natolotra tany an-toerana ary ity hitantsika ato ity ny kopian'ny rosia.
Misy zaza hatramin'ny telopolo no taizaina ao amin'izao fotoana izao ary olona 3 no mpiandraikitra mikarakara izany. Efa ratsy tokoa ny toerana noho ny tsy fahampiana ara-pitaovana. Misaotra ireo mpikarakara isika mbola mijoro hatrany amin'ny fitantanana ny toerana toy itony na dia efa sarotra dia sarotra aza ny fiainana.
Ny nanao sonia ny rosia dia Atoa Andriambololona Maxime. Laharan'ny rosia 886/Z.
Fanamarihana:
Tsy voamarika hoe NYMtelo no voasoratra ao amin'ny rosia fa Fiangonana Malagasy any New York.
Dia manao veloma antsika rehetra ho eo ambanin'ny fahasoavana daholo.
Efa misokatra ny Tranokala Tatanan'ny Pasteur Andriani ary misy takelaka natokana ho an'ny NYMtelo ao, tsy mamono ny efa misy tsy akory (tantanan'i Rolls) fa fanampiny ihany. Mbola eo am-pikarakarana izany aho izao kanefa dia manasa anareo hitsidika na dia izany aza. Ny tena zava-dehibe misongadina dia ny fisokafan'ny Sekoly Baiboly Internety (esobia) amin'ny faran'ny volana Septambra izao. Irariana ny fisoratanareo anarana. Misy kilasy telo aloha amin'izao vao manomboka izao dia ny Akaninjaza sy Ambaratonga 1 sy 2. Mbola mitohy tsy tapaka koa ny fizarana tenin'Andriamanitra ao amin'ny Vatsio Ny Fanahy na Vainafo azontsika rehetra handraisana anjara.
Pasteur Edmond Razafimahefa
Filohan'ny FJKM
Ny Birao Maharitra
FJKM
Mlle Lila RATSIMBA,
Service Communication, FJKM
Mirary ny fahasoavan'ny Tompo ho aminareo mandrakariva. Misaotra anareo tamin'ny fandefasana ny taratasy mikasika ny fizotran'ny fiainam-pirenena ho aty aminay sy ho an'ny fiangonana maro eran'izao tontolo izao. Samy mbola hitondra am-bavaka ny fiainam-pirenena hatrany isika rehetra fa sady adidy amin'ny maha malagasy izany no adidy eo anatrehan'Andriamanitra rahateo koa.
Rehefa azoko io kopian'ny taratasy io dia namparitako tamin'izay toerana fantatro indray eto Etazonia sy Kanada, ary ho an'ny malagasy sy ny kristianina vitsivitsy mahalala an'i Madagasikara.
Araka ny valin-kafatra azoko dia mampita manokana ho aminareo ato amin'ny birao FJKM ny fisaorana aho, indrindra avy amin'ireto fiangonana ireto:
Manampy an'ireo moa ny malagasy maro ary farany ny Fiangonana Malagasy eto New York (NY M telo). Mbola mety hahazo valiny sasany ihany aho izay hampitaiko araka ny fahatongavany fa fotoanan'ny fialantsasatra rahateo izao.
Farany dia miarahaba ny FJKM amin'ny fanokafana ny "Topy Internety". Efa hevitra iray tao anatin'ny taratasy nosoratako ho an'ny birao tamin'ny taon-dasa moa ny amin'io ka dia mahafaly ny fisokafany izao. Efa misokatra koa ny Topy Internety iray izay misahana ny "Ara-panahy" ary hanokanako toerana ho an'ny FJKM ao (toy ny vaovao samihafa sy ny perikopa FJKM ary izay vaovao tianareo hampitaina ho an'ny malagasy manerana ny tany).
Misy egroups hifanakalozan-kevitra sy hampitana vaovao nosokafana ho antsika izay tia hiditra ao. Avy amin'io groups io no ahazoana ny vaovao isan-karazany avy amin'ny olona tsirairay avy. Manasa anao hiditra ao mba hahazoanao ireo vaovao ireo koa.
Ity ary ny lalana fidirana ao "Ny Mtelo groups" soraty ao ny anaranao sy ny email-nao ahafahana mampiditra azy ao amin'ny lisitra.
Mamerina ny fisaorana indray ary manao veloma anareo amin'ny Anaran'ny Tompo malalantsika izay tompon'ny Asa.
Dr. Samoela Andriani, USA
Pasteur FKM-NY
Vaovao ampitain'ny
tompon’andraikitra
Takelaka FKM-NY
Loha Pejy |
Malagasy | English | Vaovao Farany | Contact