SATA IJOROAN’NY FIANGONANA
Atolotra eto ity sata FKM-NY ity ahafahana mijery taratra ny ijoroan'ny fiangonana
Mizara toko telo lehibe izy io. Ny "A' izay sata fototra ny maha mpanaraka an'i JESOA KRISTY ka tsy azo hovaina mihitsy. Miankina amin'izy io ny maha fiangonana Kristianina an'ny FKM-NY
Ny "B", "D" kosa dia ireo sata heverina fa mety hiova araky ny fivoatran'ny fiangonana sy ny asa fitoriana iandraketany.
Ny E moa dia ny fepetra mety hanovana ny Sata ao amin'ny "B" sy "D"
Marihina fa ny fivoriamben ny Alahady 26 Desambra 2004 dia nandany tanteraka an'ity sata ity hifehy ny fiangonana FKM-NY.
- A- FANORENANA
- 1-Anaran’ny Fiangonana:
Fiangonana Kristianina Malagasy New-York FKM-NY
- 2-Ny FKM-NY dia
- Fiangonana mifototra sy mijoro amin’ny finoana an’Andriamanitra Telo Izay Iray
(Trinite dia ny Ray sy Zanaka ary Fanahy Masina).
-Mino an’Andriamanitra Ray Mpamorona izao tontolo izao
-Mino an’i Jesoa Kristy, Andriamanitra Zanaka, maty ho Avotra ho an’ny mpanota teo amin’ny hazofijaliana ary nitsangana nandresy ny fahafatesana.
-Mino ny Fanahy Masina, Andriamanitra Mpampahery sy Mpananatra
- manankina tanteraka ny Fotopinoana araka ny Baiboly, ary ny Baiboly irery
ihany.
- miaina sy miasa hizara ny Famonjen’i Jesoa Kristy ho an’ny olona rehetra sy ny
olona manontolo araka ny efa nandidiany. Entina manatanteraka izany ny fanaovana
batisa na zaza na olon-dehibe (Matio 28:19), ny fampianarana katekomenina
hiomana amin’ny Fandraisana ny Fanasan’ny Tompo, manaraka ny Fandraisana ny
Eokaristia naorin’ny Tompo (Lioka 22: 14-20), manamasina ny Fanambadiana araka
ny nanorenan’Andriamanitra azy dia fikambanan’ny Lehilahy sy ny Vehivavy
(Genesisy 2: 21-24) ary manaja sy mandray izay rehetra vita batisa na mpandray
na vita konfirmasiona tany amin’ny Fiangonan-kafa hiara-miombom-po sy fanahy
amin’ny fiderana an’Andriamanitra Telo Izay Iray.
B- NY RAFITRY NY FIANGONANA
- 3.a- Ny FKM-NY dia tsy manavakavaka na iza na iza te hiara-mivavaka.
- 3.b- Ny FKM-NY dia manana rafi-pitantanana manokana hisahana ny asa
aman-draharaha rehetra ka ny Biraon’ny Fiangonana no mandinika sy manapaka
izany.
- 3.d-Ny Biraon’ny Fiangonana no mitady ny Mpitandrina hikarakara ny asa
Fitaizam-panahy sy fikarakarana ny fotoam-pivavahana ary ny asa pastoraly
rehetra iadidian’ny Mpitandrina.
- 3.e-Ny Biraon’ny Fiangonana no fahefana ambony mandamina sy manapaka ny asa
hatao rehetra. Ny zava-dehibe iankinan’ny fiainam-piangonana kosa anefa dia
volavolain’ny Birao ary alefa ho tapahin’ny Fiangonana iray manontolo.
D- NY BIRAOM-PIANGONANA
- 4.a-Fidian’ny fiangonana ny birao rehetra ary maharitra 2 taona ny faharetan’ny
Birao voafidy. Sivy no ho isan’ny mambran’ny Birao, tsy maintsy ho vita batisa
sy ho mpandray ny fanasan’ny Tompo alohan’ny handraisany ny raharahany. Ny
Filohan’ny Diakonina (na prezidan’ny Fiangonana) no fidiana voalohany ary
manampy azy ny mambra 8 hafa.
- 4.b-Ny birao kosa avy eo dia hifidy ireto mpandraharaha ireto:
-Mpitantsoratra,
-Mpitambola,
-Mpanara-maso.
- 4.d-Alohan'ny hanokanana ho diakonina ny birao voafidy, dia manaraka
fiofanana ara-tSoratra Masina izy ireo hanao ny raharahan'ny diakonina ary
miofana mikasika ny ho andraikiny sy ny asany koa.
- 4.e-Ny mambran'ny birao dia mifampizara ho vaomiera samy manana ny
asam-piangonana tandrify azy.
Hisy vaomiera hafa hitarika ny sampana samihafa:
-Trano sy Fotoam-pivoriana ary Zava-maneno sy Hira
-Antoko Mpihira
-Sekoly Alahady
-Dorkasy
-Fifandraisana
-Fandalinam-pinoana sy famangiana pastoraly.
Diakonina no hitarika ny Vaomiera fa ny fiaraha-miasa dia an'ny Fiangonana
manontolo.
Ny Vaomieran'ny Fandalinam-pinoana sy Famangiana Pastoraly dia atokana ho anjara
asan'ny Mpitandrina, ampian'ny diakonina, mpanoman-draharaha.
- 4.f-Hivory indroa isan-taona ny Biraom-piangonana handinika ny
raharaham-piangonana. Amin'ny fotoana maika kosa anefa dia azo atao ny miantso
fivoriana tsy ara-potoana, izay hifanarahan'ny rehetra.
- 4.g-Manana ireto boky ireto ny Fiangonana:
-Boky firaketana na rejisitra
-Bokim-bola sy rosia.
-Boky Volamena
E- FANOVÀNA NY RAFITRA
Azo atao ny manova ny tapany mikasika ny B-Rafitry ny Fiangonana sy ny D-Ny
Biraom-piangonana mba hanatsaràna ny fiainam-piangonana. Ny A-Fanorenana kosa
dia tsy azo ovaina satria io no Sata Ijoroan’ny Fiangonana Kristianina.
Natao androany 21 Novambra 2004, teto Queens, New York.
Ny Mpitandrina sy ny Komity namolavola izao Sata izao
Atoa Norbert Rakotomalala,
Atoa André Rasandiharisoa
Atoa Armand Randresihaja
Atoa Samoela Randretsanilo
Atoa Pascal Rafamantanantsoa
Atoa Percy Ranaivohajarivony
Rtoa Bakoly Rajerison
Atoa Jean-Claude Rakotoniaina
Atoa Carol Razafindrakoto
Pasteur Samoela Andriani
Loha Pejy |
Malagasy | English | Vaovao Farany | Contact