FIANGONANA KRISTIANINA MALAGASY NEW YORK
FKM-NY
IREO BIRAO SY NY ANDRAIKINY

ooooOOOOOoooo

Vao navaozina ny Alahady 28 Janoary 2007 ny birao hitantana ny FKM-NY mandritry ny 2 taona manaraka. Araky ny fifidianana natao tamin'io fotoana io dia Atoa Norbert RAKOTOMALALA indray no lany ho Filohan'ny Fiangonana. Ankinina amin'Andriamanitra izany andraikitra vaovao raisiny izany. Ary amin'ny zavatra rehetra hatao sy ho tontosaina dia ny voninahitry Kristy Tompo sy Mpamonjy no hiseho avy amin'ny alalan'ireo birao handray andraikitra mandritry ny roa taona.

Eo amin'ny fanendrena ny andraikitra ho sahanin'ny diakona tsirairay avy dia miandry ny fivorian'ny birao voalohany.
Mbola hisy ny fifandinihina sy fifanamboarana eo amin'ny olona voatendry hiasa sy ireo manana fifanindrin-draharaha ka mety tsy ahatanteraka ny asa nomen'Andriamanitra azy. Ireto manaraka ireto ary ny birao vaovao izay mbola tsy miaraka amin'ny andraikitra ho tanany.


Isaorana manokana ireo birao nitondra nandritry ny roa taona lasa 2004-2006. Voninahitra ho an'Andriamanitra irery ihany teo amin'ny dingana fandrosoana nandritry izay fotoana izay.

Ireto avy ary izy ireo:

Prezidan'ny Fiangonana: Atoa Carol Razafindrakoto
Mpitantsoratra: Atoa: Rolls Pascal Rafamantanantsoa
Mpitahiry vola Atoa Samoela Randretsanilo
Mpandini-bola: Atoa Norbert Rakotomalala sy Atoa Andre Rasandiharisoa

Ny Sampana ary andraikitra sahaniny :

1- Trano fivoriana sy Zavamaneno:

Aime Rakotoniaina na mailaka ato
Pascal Rafamantanantsoa (908-351-8941) na ny mailaka ato
Carol Razafindrakoto (917-535-5348) na mailaka ato

Manasa ny rehetra manan-talenta amin'ny fitendrena zava-maneno hanatona ny Diakonina tompon'andraikitra mba ahazoana miara- manantotosa ny fotoampivavahana sy ny fideranaan'Andriamanitra amin'ny zava-maneno isan-karazany.

2- Antoko Mpihira:

Daniel Andriamaharosoa (947-817-4280) na mailaka ato
Percy Ranaivohajarivony (718-409-0681 na mailaka ato

Tsy ny fahaizana solfa/naoty no zava-dehibe fa ny fitiavanao sy ny fanirianao hihira.Holazaina amintsika atsy aoriana kely fotoam- pivoriana famerenan-kiran'ny Antoko Mpihira FKM-NY.

3- Sekoly Alahady:

Bakoly Rajerison (347-448-6200) na mailaka ato
Carol Razafindrakoto (917-535-5348) na mailaka ato

Efa maro ny ankizy sy ny lehibe no mianatra Soratra Masina any amin'ny fiangonana amerikanina falehany. Ny tanjona eto dia ny fampianarana zaza Malagasy sy ny lehibe ny tantaran'i Madagasikara, lafiny finoana ary ny fiantraikan'ny fivavahana Kristianina eo amin'ny Malagasy. Eo am-panamboarana ny lesona amin'izao fotoana izao koa amin'ny fiangonana amin'ny Septambra no irariana hanomboka ny Sekoly Alahady.

4- Dorkasy

Bakoly Rajerison (718-482-1851) jnirina@yahoo.com

Ny raharaha an-koatry ny fotoampivavahana dia sahanin'ny Dorkasy, toy ny fikarakarana ny sakafo aorian'ny fotoam-pivavahana, ny fitandremana ny ankizy madinika, ny famangiana noho ny fifalianana fahoriana eo ami'ny tapaka sy namana Malagasy nanany. fifarimbonan'asa avy aminao izany koa aza misalasala manatona ny tompon'andraikitra hifanome tanana.

5- Fifandraisana::

Pascal Rafamantanantsoa (908-351-8941) rolls_rafam@hotmail.com
Carol Razafindrakoto (917-535-5348) crazafi@juno.com

rehetra tsara ho fantatra eto amin'ny FKM-NY.

6-Fandalinam-pinoana sy Famangiana

Norbert Rakotomalala (718-726-6034) cabotineblue@aol.com
Andre Rasandiharisoa(718-956-7569) daodimaomy@yahoo.com

Hisy fotoana fandinihana Soratra Masina atao any amin'ny tranon'izay olona terem-panahy handray izany. Ho fantatra tsy ho ela koa ny daty hanaovana izany. Etsy an-kilany koa dia hanokana fotoana hamangiana tokantrano ny fiangonana miaraka amin'ny Mpitandrina. Fitondram-bavaka, fampaherezana ary dinidinika samihafa no hatao amin'izany. Raha misy fianakaviana ta hampiantrano handray izany famangiana izany dia aoka hilaza amin'ny Diakonina tompon'andraikitra, hahamora ny fandrindram-potoana.

7-Ny Mpitandrina:

Aza misalasala miantso na manoratra amin'izay mety hilana ny mpitandrina na inona na inona:vavaka,batisa, katekomenina,...

Pasteur Samoela Andriani (614-841-0966)
Mailaka: (e-mail) samoela@juno.com
Topy intemety: www.samoela-andriani.org (fampaherezana, antsampanahy,fotoampivavahana...)
Toriteny fohv aparitaka amin'nv mailaka: vainafo@yahoogroups.com