FKM-NY LASY 2010.
Araka ny efa nambara tamin'ny vaovaom-piangonana sy fantatry ny maro volana vitsivitsy izay dia:
Mikarakara lasy iarahana ny FKM-NY ho an'ny rehetra:
Fotoana: 4-5-6 Septambra 2010 (labor day weekend)
Toerana:
Brook N Wood Family Campground
hita ato ny web site
1947 County Route 8
Elizaville, NY 12523-1234
(888) 284-3837
TOA IZAO NO SAKAFO HOKARAKARAINA IREO ANDRO IREO:
- Asabotsy maraina:
- - Mofo mamy isankarazany
- - Vary sosoa + atody + ovy
- - Cafe + Chocolate milk (na ronono ho an'ireo tsy mazaka chocolat)
- - Jus d'orange
- Asabotsy atoandro:
- - sandwich (turkey + fromage + tomates + salade + tongolo + mayo)
- - Jus + Soda
- Asabotsy hariva:
- - Vary
- - Lasary voatabia... na salade raviny
- - Ron'anana atao ketsaketsa
- - BBQ (hena omby sy kisoa)
- - Voankazo
- Alahady maraina :
- - Vary sosoa (vary amin'anana) + kitoza (atody + ovy ho an'ireo tsy mihinan-kena)
- - Café + Chocolate milk (na ronono ho an'ireo tsy mazaka chocolat)
- - Jus d'orange
- Alahady atoandro :
- - Toto-katsaka (plain na miaraka @ ronono)
- - Saonjo
- Alahady "Early dinner":
- - Vary
- - Salade (lasary carottes sy laisoa...)
- - hena omby sy tsaramaso (raha misy tsy mihinan-kisoa ny mpilasy),
sinon sôsisy no tsara.
- - BBQ (akoho + sôsisy raha tsy nafangaro @ tsaramaso)
- - Jus + Soda
- Alatsinainy "brunch"* :
- - Vary sosoa (asiana vary maina ihany koa) + BBQ hena ambiny rehetra
- - Café + Chocolate milk (na ronono ho an'ireo tsy mazaka chocolat)
- - Jus d'orange
- Izay sakafo rehetra nentina dia ho taperina @ io fotoana io.
- Marihina fa rano hatrany no ho fisotro mandritry ny lasy ankoatran'ireo efa voatondro.
- Atao Brunch ny alatsinainy satria @ 2.00 pm ny check out ka tsy hanam-potoana hihinana atoandro intsony fa hampirin'entana sy handrava tentes, sns....
- Raha misy te-hanampy sy hitondra zavatra hafa dia raisina an-tanan-droa.
- Ireo mpamangy (visitor) ny Alahady dia isaorana raha mitondra sakafo afaka iraisana mifanaraka amin'ny vinavina eto.
- Ampahatsiahivina ny mpilasy mba hitondra fitafy mafana fa mamirifiry-mamanala mahafinaritra ny alina.
- Raha ny fijery ny toe-trandro dia ny Zoma no mety ho avy ny orana nohon'ny rivo-doza "EARL". Ny andro hafa dia toa ho tsara ihany.
NY FIANAKAVIANA TSIRARAY AVY NO MIANDRAIKITRA IREO ENTANA ILAINA AMIN’NY CAMPING HO AZY (Rallonge, jiro, sy ny kojakoja rehetra).
Samy ho tahian'ny Tompo Jesoa.
Ny mpitantsoratra FKM-NY