FKM-NY LASY 2010.
Araka ny efa nambara tamin'ny vaovaom-piangonana sy fantatry ny maro volana vitsivitsy izay dia:
Mikarakara lasy iarahana ny FKM-NY ho an'ny rehetra:
Fotoana: 4-5-6 Septambra 2010 (labor day weekend)
Toerana:
Brook N Wood Family Campground
hita ato ny web site
1947 County Route 8
Elizaville, NY 12523-1234
(888) 284-3837
NY FKM-NY NO MIANDRAIKITRA NY SAKAFO FOTOTRA (BASIC) Jereo ato ny lisitra nomanina. Heverina hoe basic (sakafo maraina, atoandro, hariva, tafiditra ao ny vary sy laoka, na BBQ, sandwiches ary mofo sy ronono na jus d’orange, mety hisy snack malagasy[katsaka-mangahazo ohatra]).
NY FIANAKAVIANA TSIRARAY AVY NO MIANDRAIKITRA IREO ENTANA ILAINA AMIN’NY CAMPING HO AZY (TENTE SY NY KOJAKOJA ILAINA AMIN’IZANY).
RAHA MISY SAKAFO MANOKANA MAHAZATRA NY FIANAKAVIANA DIA IANGAVIANA IZY HITONDRA IZANY, NA KOA HANAO EXTRA HO AN’NY REHETRA.
Hivoaka ho fantatry ny rehetra ihany ny lisitry ny sakafo isan’andro sy ny programa mandritry ny lasy.
Ny fandaminana hafa dia izao:
- -Samy manao ny famandrihana ny fianakaviana tsirairay avy handeha. (Tsy maintsy atao telephone
(888) 284-3837 , ny famandrihana, noho ilay toerana azontsika ho an'ny group, Mariho amin'ny famandrihana ny FKM-NY [Harizo]) ($141 family of 4 for 3 days).
Milaza aty amin'ny mpiandraikitra rehefa vita izany famandriahana izany, ato amin'ny
mail-n'ny lasy .
Izay tara fanaovana reservation dia mety tsy hahazo ilay toerana group, fa afaka maka toerana akaikin'ny group.
- -Misaotra ireo efa nanao reservation sahady ary miangavy ireo izay mbola tsy nanao izany hanatanteraka, ahafahana mandinika ny isan’ny olona izay mitarika ho any amin’ny entana ho vidiana.
- -Ho an’ireo izay mbola tsy tapakevitra ny hijanona any mandritry ny telo andro dia marihina fa afaka manao visitor ianareo. Manana vidiny mikasika izany ny camp. Tokony hilaza amin’ny mpiandraikitra koa ianareo raha manao izany (lasytsimoka@fkm-ny.org)
- -Fahatongavana voalohany ny zoma 3 Septambra hariva.
- -Mandinika ny fandaminana eo amin'ny sakafo hiraisana sy fandaharam-potoana ny FKM-NY
- -Sady lasy tsimoka ho an'ny ankizy izy ity no retraite ho an'ny lehibe ary lasy voalohany hiarahan'ny mpiara mivavaka eto amin'ny FKM-NY.
Samy ho tahian'ny Tompo Jesoa.
Ny mpitantsoratra FKM-NY