KRISMASY 2009 FKM-NY
Tontosa soamantsara ny fankalazana krismasy 2009 teto amin'ny FKM-NY. Ny Alahady 20 Desambra 2009 no nanaovana izany tao amin'ny Second Presbyterian Church Elizabeth NJ toerana mahazatra ho fivavahana.Niavaka tamin'ity ny fankalazana noho ireo tranga isan-karazany natolotry ny lehibe na ny tanora na ny ankizy sy zaza. Misy sary vitsivitsy sy video ireto atolotra anao ahitanao ny zava nisy tamin'iny andro iny. Ny zava-bita dia ho voninahitr'andriamanitra irery ihany. Ary fifaliana ho antsika noho izao andro nahaterahan'i Jesoa Kristy zanany lahy tokana izao. Ho krisamasy-pifaliana tokoa anie no hiainantiska. Mivavaka manaokana ho an'ireo vahoaka malagasy sy fianakavianatsika any an-tanindrazana isika mba hisian'ny fitondran'Andriamanitra arahina filaminana sy fandrosoana.
Tsindrio ity sary ity ahitanao ireo sary vitsy tamin'iny andro iny.
Nisy ireo Ray aman-dreny nikarakara manokana seho an-tsehatra. Namelona ny asa-soratra mikasika Krismasy nosoratan'ny mpanoratra malagasy fanta-daza "Clarisse RATSIFANDRIAHAMANANA". Seho an-tsehatra mikasika ny fahavononana'ny Krstianina handray an'i Jesoa Tompo amin'izao Krismasy izao. Ny lohatenin'ny asa-soratra dia ny hoe "MOA MISY TRANO ATY?"
Pohoe ity sary manaraka ity ahitanao ny video an'io seho io.
Ireo Kristianina tanora koa dia tsy very anjara. Nihezaka izy ireo nandray anjara tamin'ny fankalazana. Tao ireo nihira manokana sy nitendry zava maneno ary nihira niaraka.
Ho hita ato amin'ity rohy manaraka ity ny sary video an'izy ireo nandray anjara.
Ny fandraisan'anjaran'ny Censored321, ireo zanatsika eto amin'ny FKM-NY izay mihezaka manangana tarika eo amin'ny sehatry ny mozika, ary hitantsika matetika amin'ny fivoriana iraisan'ny malagasy, dia efa mipetraka ao amin'ny lohapejy ka ilay rohy oronan-tsary farany eto amin'ny FKM-NY no misy n hiran'izy ireo.
Tsy adino mandrakariva ireo ankizy sy zaza izay tena nihezaka nanao ny tsianjery tamin'ny teny malagasy. Someby ery izy ireo nandritry ny famerenana sy ny fampisehoana. Nanandratra ny maha fetin'ny ankizy ny Krismasy tokoa izy ireo. Teto amin'ity seho ity no tena hahazoantsika ny fifampitaizana ao amin'ny samy malagasy, lavitra ny tanindrazana aty. Misy video manokana koa hahitana azy ireo.
Poheo ity sary manaraka ity ahitana video an'izy ireo nandray anjara.
Araky ny mahazatra dia nofaranana tamin'ny fiaraha misakafom-pianakaviana nohon'ny andro fety ny fivavahana. Nandritry izany fotoana izany no nahazoan'ireo ankizy sy tanora "cadeaux" avy amin'Ingahibe Noely.
Niarahaba manoakana ireo malagasy manampy ny fiakaviambe eto New York sy ny manodidina koa ny FKM-NY ary mirary soa ho azy ireo amin'ny fianana ho avy nohon'ny fifindra-monina. Ny Tompo Jesoa homba nareo mandrakariva.
Ny zava-bita rehetra dia voninahitra'Andriamanitra irery ihany. Ny asan'ny FKM-NY dia apetraka eo ambany fitarihany mandrakariva.
Ny mpitantana ny tranon-kala FKM-NY.