Malagasy Christian Church, New York- FKM-NY
1161, East Jersey Street, Elizabeth, NJ 07201
www.fkm-ny.org

FOTOAM-PIVAVAHANA PENTEKOSTA 2012.

Ary samy feno ny Fanahy Masina izy rehetra, ka dia niteny tamin’ ny fiteny maro samy hafa, araka ny nampitenenan’ ny Fanahy Masina azy.Asa 24

Ny fiangonana FKM-NY dia miantso ny malagasy rehetra hanatrika ny fotoana Pentekosta 2012.

Atao mandritry ny fotoana hisitahana (camping) izany, amin’ny Alahady 27 May 2012. Marihina fa faran’ny herinandro ao anatin’ny “Memorial Day” io fotoana io.

Koa ireto avy ny fandaminana:

  • Handeha “camping” ny mpiara mivavaka rehetra.
  • Ny Toerana dia ao:
    HOLMES PRESBYTERIAN CAMP & CONFERENCE CENTER.
    60 Denton Lake Road
    Holmes, NY 12531
    http://www.holmescamp.org/
  • Ny camping dia manomboka ny Asabotsy 26 May ka hifarana ny Alatsinainy 28 May 2012.
  • Ny fivavahana Pentekosta dia ny Alahady 27 May 2012 ao amin’io toerana io ihany. Ny fotoana dia mbola ho faritana amin’ny manaraka nohon’ny fandaminana eo amin’ny hitondra ny fivavahana.

    Mikasika ny camping dia izao no angatahana ho raisin’ny tsirairay anjara:

    1. Misy tentes efa vonona ho antsika ao nefa afaka mitondra ny Tente-tsika koa isika. Ny saran’ny lasy dia $20 isan’olona isaky ny matory. ($20/person/night). Samy mitondra ny kojakojan’ny fipetrahana any (akanjo, lamba hatoriana, ny ilaina amin’ny fiainana andavanandro).
    2. Ny sakafo fototra dia iandraiketan’ny FKM-NY toa ny efa natao teo aloha. Tsy ferana anefa izay afaka mitondra manokana ka hanampy mandritry ny lasy.

    Mandritry io fotoana io no ahafahana manondro ny filoha hitarika fotoana Jona 2012- Paska 2013. Alamina any koa ny fampandehanana ny raharaha eto amin’ny FKM-NY tao aorianan’ny volana Martsa 2012.

    Ianagaviana ianareo hiantso sy hilaza mialoha amin’ny tompon’Andraikitra ny amin’ny fahavononanareo hanatrika io faran’ny herinandro io. Izany dia ahafahana mamarana ny fifampiraharahana amin’ny tompon’ny toerana sy ny andraikitra isan-karazany tafiditra ao anatin’ny fikarakarana Lasy. Ny Asabotsy 19 May 2012 no daty anomezana ny fahafahanareo.

    Ny vaovao hafa dia mbola ampitaina eto ihany. Na koa aza misalasala manontany ny mpikarakara.

    Ny mpiandraikitra.