Fiangonana Kristianina Malagasy New York FKM-NY

“Ho aminareo mandrakariva anie ny fahasoavan’Andriamanitra avy amin’ i Jesoa Kristy Zanany, Tompo sy Mpamonjy antsika”

Ry havana malala:

Fifaliana ho an’ny FKM-NY ny manasa anareo ho tonga hiara-mivavaka sy midera an’Andriamanitra, ho fanombohana ny taom-pianarana vaovao 2007-2008.

Ny fotoana dia ny Alahady 23 Septambra 2007 manomboka amin’ny 3 ora sy sasany tolakandro, ao amin’ny toerana mahazatra antsika, Second Presbyterian Church, Elizabeth, NJ.

Toy izao ny fandaharam-potoana:

  • 3:30-4:00 folakandro:-Sekoly Alahady ny rehetra no mandray anjara amin'ity. Hizara sokaliny ny mpiangona.
  • 4:00: fotoampivavahana sy fandraisana ny Fanasan’ny Tompo.

  • Hiarahantsika Fiangonana manapaka ny hirosoana amin’ny fananganana ara-panjakàna ny FKM-NY. Ny fiantsoana amin'ity dia nalefa isan-tokatrano, ireo izay tsy nahazo dia jereo ato ny antso.

  • Manainga ny rehetra koa, toy ny mahazatra, mba hivimbina sakafo hiaraha-mizara aorian’ny Fotoam-pivavahana.

Efa mivoaka izao ny gazetim-piangonana laharana fahatelo (Septambra 2007) koa azontsika atao ny maka izany amin’io Alahady io raha toa ka mbola tsy nahazo isika. Misy ny tsara ho fantatra mikasika ny fiainam-piangonana ao amin’ny gazety ary koa misy vaovao ho an’ny eto New York sy ny manodidina.

  • Tadidio ny fotoana amin’ny Asabotsy 2 Novambra 2007, amin’ny 3 ora folakandro ny fandinihina lohahevitra manaraka. Manasa antsika rehetra hanatrika izany.

Koa manainga anareo rehetra, ento ny tapaka sy ny namana mba hiara-manandratra ny feontsika hiantso sy hidera ary hisaotra an’Andriamanitra.

Amin’ny Anaran’i Jesoa Tompo sy Lohan’ny Fiangonana.

01 Septambra 2007

Pasteur Samoela Andriani

Sy ny Biraon’ny Fiangonana

FKM-NY


Ho an'ny mpiray tanindrazana sendra mandalo aty Amerika avaratra, milaza izahay fa akoatra ny fiarahana mivavaka misy eto New York sy ny Manodidina dia misy koa any:

WASHINGTON
MONTREAL

Ireo fiarahana mivavaka ireo dia mbola atao isaky ny vanimpotoana lehibe fa tsy isaky ny alahady akory.
Manasa anao izahay hitsidika ny takelaka tranonkalan'ny isan-tokony mba ahafantaranao tsara ny fandaharana amin'ireo toerana ireo

Loha Pejy | Malagasy | English | Vaovao Farany | Contact