FIANGONANA KRISTIANINA MALAGASY New-York (FKM-NY)
"Olona iray no nisehoan'ny fahafatesana (Adama) ary Olona iray no nisehoan'ny fitsanganan'ny maty (Jesoa Kristy)" I Kor - 1521
Fotoampivavahana PASKA 2007
Ry havana malala,
Ho aminareo mandrakariva anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy
amin但ndriamanitra sy Jesoa Kristy Tompo.
Ny FKM-NY dia faly manasa sy miantso anareo hiara-mivavaka ho fankalazana ny PASKA 2007. Ny fotoana dia ny Alahady 8 Aprily 2007 manomboka amin地y 3 ora sy sasany tsy diso, ao amin'ny Second Presbyterian Church, 1161 East Jersey St, Elizabeth, NJ 07201-2310, (908) 352-1659 Tsara homarihina fa hisy fanokanana ireo diakona vaovao voafidy tamin'ny volana Janoary 2007 teo. Ary koa fanekena sy fandraisana andraikitra ho an'ireo diakona hitantana ny fiangonana mandritry ny roa (2) taona ho avy.
Hisy koa noho izany ny Fandraisana ny Fanasan地y Tompo izay hanasana ny havan-drehetra vonona hanatona ny latabatra masina.
Hanao rakitra vonjiranovaky isika mianakavy amin'io Paska 2007 io. Entina hanampiana ny any antanindrazana izany noho ireo voina mihatra avy amin'ny fandalovan'ny Cyclone. Ho famaliana ilay antso nataon'ny fitondrana any antoerana ary fandraisantsika mianakavy amin'ny voinkava-mahatratra.
Aorian地y fotoampivavahana dia misy toy ny fanao mahazatra ny fiaraha-misakafo ho antsika rehetra.
Amin地y Anaran段 Jesoa Tompo sy Lohan地y Fiangonana, Izay efa nitsangana nadresy ny fahafatesana.
25 Marsa 2007.
Pasteur Samoela Andriani
Sy ny Biraon地y Fiangonana
FKM-New York
Ho an'ny mpiray tanindrazana sendra mandalo aty Amerika avaratra, milaza izahay fa akoatra ny fiarahana mivavaka misy eto New York sy ny Manodidina dia misy koa any:
Ireo fiarahana mivavaka ireo dia mbola atao isaky ny vanimpotoana lehibe fa tsy isaky ny alahady akory.
Manasa anao izahay hitsidika ny takelaka tranonkalan'ny isan-tokony mba ahafantaranao tsara ny fandaharana amin'ireo toerana ireo
Loha Pejy | Malagasy | English | Vaovao Farany | Contact