FIANGONANA KRISTIANINA MALAGASY New-York
Fotoampivavahana PASKA 2006
Ry havana malala,
Ho aminareo mandrakariva anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy
amin但ndriamanitra sy Jesoa Kristy Tompo.
Ny FKM-NY dia faly manasa sy miantso anareo hiara-mivavaka ho fankalazana ny PASKA 2006. Ny fotoana dia ny Alahady 16 Aprily 2006 manomboka amin地y 3 ora sy sasany tsy diso, Second Presbyterian Church, 1161 E Jersey St, Elizabeth, NJ 07201-2310, (908) 352-1659 Tsara homarihina fa hisy fanokanana katekomenina ho Mpandray ny Fanasan地y Tompo amin段o fotoana io. Hisy koa noho izany ny Fandraisana ny Fanasan地y Tompo izay hanasana ny havan-drehetra vonona hanatona ny latabatra masina.
Handray anjara hira ny Antoko Mpihira eto amin地y Fiangonana.
Aorian地y fotoampivavahana dia misy toy ny fanao mahazatra ny fiaraha-misakafo ho antsika rehetra.
Ho famaliana ny fanasan地y Fiangonana Amerikanina iray ny Antoko Mpihiran地y FKM-NY amin地y 13 May 2006 izao, dia hanararaotra hanao famerenan-kira koa ny Antoko Mpihira aorian地y fotoampivavahana. Dia mandray an-tanandroa ny rehetra mbola te hanatevin-daharana ny mpihira rahateo koa amin段o famerenan-kira io. Tsy ny fahaizana Solfa na Naoty no zavadehibe fa ny fanirianao hanandratra ny feonao hidera an但ndriamanitra amin地y hira.
Amin地y Anaran段 Jesoa Tompo sy Lohan地y Fiangonana, Izay efa nitsangana nadresy ny fahafatesana.
5 Aprily 2006.
Pasteur Samoela Andriani
Sy ny Biraon地y Fiangonana
FKM-New York
Ho an'ny mpiray tanindrazana sendra mandalo aty Amerika avaratra, milaza izahay fa akoatra ny fiarahana mivavaka misy eto New York sy ny Manodidina dia misy koa any:
Ireo fiarahana mivavaka ireo dia mbola atao isaky ny vanimpotoana lehibe fa tsy isaky ny alahady akory.
Manasa anao izahay hitsidika ny takelaka tranonkalan'ny isan-tokony mba ahafantaranao tsara ny fandaharana amin'ireo toerana ireo
Loha Pejy | Malagasy | English | Vaovao Farany | Contact