FIANGONANA KRISTIANINA MALAGASY New-York (FKM-NY)
FANADALINAM-PINOANA 11 Novambra 2007
Ry havana malala,
Ny fahasoavan'i Jesoa Kristy ho amintsika rehetra,
Miala tsiny fa nohon'ny fandaminana maha metimety ny fivoriana dia hifindra ny toerana hanaovana ity adihevitra ity. Jereo io ambanay io ny adiresy.
Mitohy ny fandaharana eto amin'ny FKM-NY. Ny fotoana manaraka dia ny:
"Andriamanitra sy ny fahoriana ary ny loza, misy fanazavana ve?"
Efa misy mametraka fanotaniana sahady amintsika mianakavy, anisan'ny hovoaboasantsika rehetra ao ireto manaraka ireto:
Angatahina izay mety mbola manana fanotaniana manitikitika hametraka izany sahady (alefa amin'ny mpitantsoratry ny FKM-NY) ahafahan'ny rehetra manomana tsara io adihevitra io. Mazava fa adihevitra no hatrehina koa ny rehetra manatrika no hitondra valim-panotaniana.
Mandritry io fotoana io dia hifidy ireo olona hatao ao anatin'ny "Board of Trustee" amin'ny fananganana ny FKM-NY ara-panjakana isika.
Manatena ny rehetra hanatrika io fotoana io.
Pasteur Samoela Andriani
Sy ny Biraon’ny Fiangonana
FKM-New York
Ho an'ny mpiray tanindrazana sendra mandalo aty Amerika avaratra, milaza izahay fa akoatra ny fiarahana mivavaka misy eto New York sy ny Manodidina dia misy koa any:
Ireo fiarahana mivavaka ireo dia mbola atao isaky ny vanimpotoana lehibe fa tsy isaky ny alahady akory.
Manasa anao izahay hitsidika ny takelaka tranonkalan'ny isan-tokony mba ahafantaranao tsara ny fandaharana amin'ireo toerana ireo
Loha Pejy | Malagasy | English | Vaovao Farany | Contact