Fiangonana Kristianina Malagasy New York.

FKM-NY

FIANTSOANA MANOKANA, Fifidianana Diakonina hiasa 2007-2009

Ry havana malala:

Mivalona sahady ny fotoana niasan’ireo diakonina andiany voalohany teto amin’ny Fiangonana FKM-NY. Araka ny fitsipika nolanian’ny Fiangonana tany am-piandohana àry dia miroso amin’ny fifidianana ny Diakonina andiany faharoa indray isika fiangonana. Ireo izay ho voafidy dia hanomboka hiasa ny Paska 2007 izao.

Ny fotoana hanatanterahana ny fifidianana dia ny Alahady 28 Janoary 2007, aorian’ny fivoriam-bavaka hataontsika. Ny toerana dia ao amin’ny Fiangonana Central Presbyterian Church (CPC) Park Avenue sy 64 Street, Manhattan. MAE COLEMAN ROOM 6TH Floor. Manomboka amin'ny 3:00 PM.

Io fotoana io dia tafiditra amin’ny fandalinam-pinoana, karakarain’ny fiangonana ary ny lahateny dia hitondra ny lohateny hoe:

"Nahoana Andriamanitra no tsy mamonjy amin’ny andro izay ilàna Azy?.

Miendrika konferansa ny fizotry ny fotoana, izany hoe lahateny arahim-panontaniana sy fifanakalozan-kevitra.

Toy izao manaraka izao no fizotry ny fifidianana.

Ireo diakonina am-perinasa ankehitrio dia azo fidiana indray miaraka amin’ny be sy ny maro. Tsy maintsy ho mpandray ny olona hofidiana. Samy hanonona ny anarany eo am-pivoriana ny tsirairay avy ary hanoratra anaran’olona sivy (9) ny mpifidy rehetra. Ireo anarana sivy voalohany eo am-panisàna no ho laniana ho diakonina. Aorian’izany dia hiarahan’ny fiangonana manontolo mifidy indray ny ho Prezidan’ny Fiangonana ka avy amin’ireo anarana sivy lany ireo no hifidianana azy. Ny birao sy ny vaomieran’ny sampana isan-karazany moa dia anjaran’ny fivorian’ny diakonina no hanapaka izany.

Misy fanamarihana roa ireto manaraka ireto:

1-Raha misy te hilatsaka hofidiana ho diakonina kanefa tsy afaka amin’io andro io dia afaka mandefa ny anarany na amin’ny mpitandrina na amin’ny Prezida na mambran’ny birao amperinasa, mialoha ny datin’ny fifidianana.

2-An-tsitrapo ny asan’Andriamanitra, koa raha misy lanin’ny be sy ny maro kanefa tsy mazoto ny hiroso dia afaka milaza izany am-pahibemaso.

3-Ny diakonina vaovao voafidy dia hanaraka fiofanana feno mandritra ny roa volana mialohan’ny handraisana sy hanokanana azy ireo amin’ny Paska 2007 izao.

4-Hisy fotoana hiarahan’ny birao am-perinasa sy ny birao mpandimby miaraka mialohan’ny fanokanana amin’ny Paska.

Raha misy manam-panontaniana dia aza misalasala manontany ny Mpitandrina. Azo tsirihina koa etsy amin'ny rohy SATA na etsy ankavia ny amin'ny Ijoroan'ny fiangonana.

Ho aminareo anie ny fiadanana.

Pasteur Samoela Andriani, (614)-781-1207, samoela_andriani@juno.com,

Topy internety manokan'ny mpitandrina: http://www.samoela-andriani.org

Loha Pejy | Malagasy | English | Vaovao Farany | Contact