Fiangonana Kristianina Malagasy
New York
FKM-NY
“Mifalia indrindra, ry Ziona zanakavavy; Manaova feo fifaliana, ry Jerosalema zanakavavy; Indro, ny Mpanjakanao avy ho anao, Marina Izy sady manam-pamonjena…” Zakaria 9 9
FANASANA FIARAHA-MANKALAZA NY KRISMASY
Ry havana malala:
Fifaliana lalandava ho an’ny Mpitandrina sy ny Birao ary ny Fiangonana FKM-NY ny manasa anao hiara-mankalaza ny Krismasy 2006 mitsigerina ity indray.
Misy fiovana kely ny toerana sy ny fotoanantsika satria ny fiaraha-mivavaka dia hatao ny Alahady 17 Desambra 2006 manomboka amin’ny telo ora folakandro ao amin’ny First Presbyterian Church (Parish House), Broad Street & Caldwell Place, Elizabeth NJ 07201, ((908)-353-1518.
Hatomboka amin’ny fotoam-pivavahana ny fiarahantsika, arahin’ny fankalazana ny Krismasy ataon’ny Sampana ankizy-Sekoly Alahady ary faranana toy ny mahazatra amin’ny fiaraha-misakafo. Koa dia aza hadinoina ny mitondra sakafo hifampizarana amin’izany.
Ho famaranana dia mandrisika antsika rehetra, hivavaka manokana ho an’I Madagasikara, ho an’ny Malagasy havantsika indrindra ho an’ny mahantra miady sy mifampitolona amin’ny fahasahiranana amin’izao andro fety izao.
Dia lazao àry ny tapaka sy ny ny namana ho avy hiara-paly hankalaza ny Krismasy, eto New-York sy ny manodidina.
Ho aminao anie ny Fiadanana avy amin’ilay Zaza mandry ao am-pihinanam-bilona.
Pasteur Samoela Andriani sy ny Birao
FKM-NY,
4 Desambra 2006
PS: Tsy lavitra ny Second Presbyterian Church (SPC) mahazatra antsika io toerana io. Dimy minitra antongotra raha miala avy amin'ny SPC. Jereo ato ny sary toro-lalana. Ny Parking dia misy ao amin'ny First, na koa eny andalambe. Tsy misy "parking meter" nohon'ny fety.
Loha Pejy | Malagasy | English | Vaovao Farany | Contact