Roy mankany amin'ny FIHAONAMBE 11-12 OCTOBRA 2003

FKM-NY

FANASANA

Ho aminareo anie ny Tompo,

Ny fankalazana ny fetimpirenena Malagasy amin'ity taona 2007 ity dia atao miaraka amin'ny Mission de Madagascar. Efa hitan'ny rehetra moa ny fiantsoana avy ao amin-dry zareo.

Noho ny fandaminana sy ny fifanarahana teo amin'ny birao sy ny Mission dia hatao mandritra io fotoana io ny fotoampivavahana Fangatahampitahiana ho an'ny Firenena. Ny Pasteur Andriani sy Mompera Alexandre Rafanomezantsoa no hanatontosa izany.

Noho izany dia tsy hisy ilay fotoampivavahana izay nokasaina hatao tao New Jersey. Ny raharaha eto amin'ny FKM-NY nokasaina hovitaina io andro io dia ahemotra amin'ny manaraka. Ilazana ihany isika rehetra ny amin'izany.

Hasaina hanatrika ny fotoana any Queens izany ny rehetra amin'io andro io. Vakio tsara ny fanasana avy ao amin'ny Mission ahalalana ny toerana sy ny tokony hatao amin'io andro io.

Raha misy fanontaniana dia aza misalasala manontany ireo mpikambana ao amin'ny birao fantatrao na manorata aty amin'ny sekreteran'ny fiangonana.

Dia mirary ny fitahiana avy amin'i Jesoa Kristy Tompo mandrakariva ho anareo.

Rolls Rafam.

Mpitantsoratra FKM-NY.


Ho an'ny mpiray tanindrazana sendra mandalo aty Amerika avaratra, milaza izahay fa akoatra ny fiarahana mivavaka misy eto New York sy ny Manodidina dia misy koa any:

WASHINGTON
MONTREAL

Ireo fiarahana mivavaka ireo dia mbola atao isaky ny vanimpotoana lehibe fa tsy isaky ny alahady akory.
Manasa anao izahay hitsidika ny takelaka tranonkalan'ny isan-tokony mba ahafantaranao tsara ny fandaharana amin'ireo toerana ireo

Loha Pejy | Malagasy | English | Vaovao Farany | Contact