FIANGONANA KRISTIANINA MALAGASY New-York (FKM-NY)

FANADALINAM-PINOANA Jolay 2007

Ry havana malala,

Ho aminareo mandrakariva anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy
amin’Andriamanitra sy Jesoa Kristy Tompo.

Fifaliana ho an'ny FKM-NY ny manasa antsika rehetra hanatrika ny fotoana voalahatra eto amin'ny Fiangonana Malagasy, New York, fandalinam-pinoana sy hanamafisana orina ny fiainana Kristianina.

Ho tohin'izay efa natomboka tamin'ny volana Janoary 2007 lasa teo, ny lohahevitra hiara-mandinika sy hamakafaka dia ny hoe:

"AHOANA NO HIATREHAN'NY KRISTIANINA NY OLANA MIANJADY EO AMIN'NY FIAINANA."

Ny fotoana ary dia ny Sabotsy 28 Jolay 2007 manomboka amin'ny 3 ora folakandro, ao amin'ny Fiangonana mahazatra antsika, Second Presbyterian Church Elizabeth.

Ilazao ny havana aman-tsakaiza ary aza hadinoina ny mitondra sakafo maivana hifampizarana aorian'ny fotoam-pivoriana.

Ho fanampiana ny mambran'ny Biraom-piangonana dia hisy fifidianana diakonina 1 (iray) hanampy ny Birao eo am-perinasa.

Dia mametraka ny veloma mandrapihaona, ho eo ambanin'ny fahasoavan'i Jesoa Kristy hatrany.

Pasteur Samoela Andriani
Sy ny Biraon’ny Fiangonana
FKM-New York


Ho an'ny mpiray tanindrazana sendra mandalo aty Amerika avaratra, milaza izahay fa akoatra ny fiarahana mivavaka misy eto New York sy ny Manodidina dia misy koa any:

WASHINGTON
MONTREAL

Ireo fiarahana mivavaka ireo dia mbola atao isaky ny vanimpotoana lehibe fa tsy isaky ny alahady akory.
Manasa anao izahay hitsidika ny takelaka tranonkalan'ny isan-tokony mba ahafantaranao tsara ny fandaharana amin'ireo toerana ireo

Loha Pejy | Malagasy | English | Vaovao Farany | Contact