“Ho aminareo mandrakariva anie ny fahasoavan’Andriamanitra avy amin’ i Jesoa Kristy Zanany, Tompo sy Mpamonjy antsika”
Ry havana:
Miarahaba antsika rehetra tratry ny taona vaovao 2011.
Ny Mpitandrina sy ny Birao ary ny Fiangonana FKM-NY dia faly manasa antsika rehetra mba ho tonga hiara-mivavaka, hidera sy hisaotra an’Andriamanitra ho fanombohana izao taombaovao izao.
Hamafisina eto fa hisy ny Fivoriamben’ny FKM-NY fanao isan-taona ary amin’ity fotoana ity dia hisy ny fifidianana mambran’ny BOT iray, ny ho Filohan’ny FKM-NY ary ny diakonina valo hanampy ny Filoha ho BOD. Ireto andiany fahefatra ireto dia hiasa Paska 2011-Paska 2013. Manentana izay rehetra maniry ny handray anjara amin’ireo asa fanompoana eto amin’ny fiangonantsika ireo.
Hisy rakitra faharoa/manokana hatao fiarahabana nohon'ny taona vaovao.
Misy ny Fandraisana ny Fanasan’ny Tompo hatrany ny fotoana eto amin’ny FKM-NY
Dia manatena ny fahatongavan'ny rehetra amin'io andro io iarahantsika mampitombo ny fanjakan'Andriamanitra ety an-tany tahaka ny any Andanitra.
Manainga ny rehetra mba hivimbina sakafo hiaraha-mizara aorian’ny Fotoampivavahana.
Dia mametraka ny veloma amin’ny anaran’ny Tompo.
Ho aminareo anie ny Fiadanany.
Ny Mpitandrina sy ny Biraom-piangonana FKM-NY
Janoary 2011
Ho an'ny mpiray tanindrazana sendra mandalo aty Amerika avaratra, milaza izahay fa akoatra ny fiarahana mivavaka misy eto New York sy ny Manodidina dia misy koa any:
Ireo fiarahana mivavaka ireo dia mbola atao isaky ny vanimpotoana lehibe fa tsy isaky ny alahady akory.
Manasa anao izahay hitsidika ny takelaka tranonkalan'ny isan-tokony mba ahafantaranao tsara ny fandaharana amin'ireo toerana ireo