FIANTSOANA MANOKANA, Fananganana ara-panjakàna ny FKM-NY
Ry havana malala:
Efa fito taona sahady izao no niarahantsika naira-nivavaka teto New York sy ny manodidina, ary tany amin地y fiangonana loteranina tany Brooklyn no nanaovana izany tamin地y Janoary 2001. Telo taona mahery kely lasa izay dia natsangana ho fiangonana ny FKM-NY, nanombohana ny asam-piangonana amin地y maha fiangonanan azy dia ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly sy ny sampan誕sa samihafa hampitomboana ny finoantsika. Efa maro mpahalala ny FKM-NY na eto Amerika na any Eoropa, ary na any Madagasikara koa aza. Tsy ny fampahalalana ny FKM-NY anefa no tanjona fa ny fandrosoana amin地y finoana sy asa, mitory ny famonjen但ndriamanitra amin地y alalan段 Jesoa Kristy Zanany.
Dingana manaraka manoloana antsika ankehitrio ny fananganana ho ara-panjakàna ity Fiangonana Kristianina Malagasy eto New York sy ny manodidina ity.
Ary satria zava-dehibe eo amin地y fiainam-piangonana izany, dia tsy anjaran地y biraom-piangonana irery no manapaka ny firosoana amin段zany fa ny Fiangonana iray manontolo mihitsy.
Inona no tombontsoa amin段zao fanoratana ara-panjakàna ny FKM-NY izao?
Ilaina ny maha ara-dalàna antsika eo anatrehan地y firenena Amerikanina. Ahazoantsika manana ny zon地y fikambanana rehetra izany, toy ny fanokafana kaonty amin地y banky, fampihenan-ketra amin地y vola omena ny fiangonana (tax deductibles), ahazoana mitady fanampiana ara-dalàna, sy ny sisa sy ny sisa.
Ny fotoana hanatanterahana ny fanapahan地y fiangonana izany dia ny Alahady 23 Septambra 2007, aorian地y fotoam-bavaka fanaontsika. Ny toerana, raha tsy misy ny fiovana, dia ao amin地y Fiangonana Second Presbyterian Church ao Elizabeth
Koa dia miandrandra ny fahatongavanareo amin段o fotoana io àry tompoko.
Raha misy manam-panontaniana dia aza misalasala manontany ny Mpitandrina na ireo birao/diakona.
Ho aminareo anie ny fiadanana.
S. Andriani
Pasteur Samoela Andriani, (614)-781-1207, samoela_andriani@juno.com,
Topy internety: www.samoela-andriani.org
Loha Pejy | Malagasy | English | Vaovao Farany | Contact