SATA IJOROAN'NY FIANGONANA

Atolotra eto ity sata FKM-NY ity ahafahana mijery taratra ny ijoroan'ny fiangonana. Mizara toko telo lehibe izy ity.

Ny andalana "A" izay sata fototra ny maha mpanaraka an'i JESOA KRISTY ka tsy azo hovaina mihitsy. Miankina amin'izy io ny maha fiangonana Kristianina ny FKM-NY

Ny andalana "B", "D" kosa dia ireo sata heverina fa mety hiova araky ny fivoaran'ny fiangonana sy ny asa fitoriana iandraketany.

Ny andalana E dia ny fepetra mety hanovana ny Sata ao amin'ny andalana "B" sy "D"

Marihina fa ny fivoriambe ny Alahady 26 Desambra 2004 dia nandany tanteraka an'ity sata ity hifehy ny fiangonana FKM-NY.

  • A- FANORENANA
    1. -Anaran'ny Fiangonana:

      Fiangonana Kristianina Malagasy New-York FKM-NY

    2. -Ny FKM-NY dia:

    3. Fiangonana mifototra sy mijoro amin'ny finoana an'Andriamanitra Telo Izay Iray
      (Trinite dia ny Ray sy Zanaka ary Fanahy Masina).
      -Mino an'Andriamanitra Ray Mpamorona izao tontolo izao
      -Mino an'i Jesoa Kristy, Andriamanitra Zanaka, maty ho Avotra ho an'ny mpanota teo amin'ny hazofijaliana ary nitsangana nandresy ny fahafatesana.
      -Mino ny Fanahy Masina, Andriamanitra Mpampahery sy Mpananatra
      Manankina tanteraka ny Fotopinoana araka ny Baiboly, ary ny Baiboly irery ihany.
      Miaina sy miasa hizara ny Famonjen'i Jesoa Kristy ho an'ny olona rehetra sy ny olona manontolo araka ny efa nandidiany. Entina manatanteraka izany ny fanaovana batisa na zaza na olon-dehibe (Matio 28:19), ny fampianarana katekomenina hiomana amin'ny Fandraisana ny Fanasan'ny Tompo, manaraka ny Fandraisana ny Eokaristia naorin'ny Tompo (Lioka 22: 14-20), manamasina ny Fanambadiana arakany nanorenan'Andriamanitra azy dia fikambanan'ny Lehilahy sy ny Vehivavy(Genesisy 2: 21-24) ary manaja sy mandray izay rehetra vita batisa na mpandray na vita konfirmasiona tany amin'ny Fiangonan-kafa hiara-miombom-po sy fanahy amin'ny fiderana an'Andriamanitra Telo Izay Iray.
  • B- NY RAFITRY NY FIANGONANA
    • a- Ny FKM-NY dia tsy manavakavaka na iza na iza tia hiara-mivavaka.
    • b-Ny FKM-NY dia manana rafi-pitantanana manokana hisahana ny asa aman-draharaha rehetra ka ny Biraon'ny Fiangonana no mandinika sy manapaka izany.
    • d-Ny Biraon'ny Fiangonana no mitady ny Mpitandrina hikarakara ny asa Fitaizam-panahy sy fikarakarana ny fotoam-pivavahana ary ny asa pastoraly rehetra iadidian'ny Mpitandrina.
    • e-Ny Biraon'ny Fiangonana no fahefana ambony mandamina sy manapaka ny asa hatao rehetra. Ny zava-dehibe iankinan'ny fiainam-piangonana kosa anefa dia volavolain'ny Birao ary alefa ho tapahin'ny Fiangonana iray manontolo.
  • D- NY BIRAOM-PIANGONANA
    • -Fidian'ny fiangonana ny birao rehetra ary maharitra 2 taona ny faharetan'nyBirao voafidy. Sivy no ho isan'ny mambran'ny Birao, tsy maintsy ho vita batisa sy ho mpandray ny fanasan'ny Tompo alohan'ny handraisany ny raharahany. Ny Filohan'ny Diakonina (na prezidan'ny Fiangonana) no fidiana voalohany ary manampy azy ny mambra 8 hafa.
    • -Ny birao kosa avy eo dia hifidy ireto mpandraharaha ireto:
      -Mpitantsoratra,
      -Mpitambola,
      -Mpanara-maso.
    • -Alohan'ny hanokanana ho diakonina ny birao voafidy, dia manaraka fiofanana ara-tsoratra Masina izy ireo hanao ny raharahan'ny diakonina ary miofana mikasika ny ho andraikiny sy ny asany koa.
    • -Ny mambran'ny birao dia mifampizara ho vaomiera samy manana ny asam-piangonana tandrify azy.Hisy vaomiera hafa hitarika ny sampana samihafa:
      -Trano sy Fotoam-pivoriana ary Zava-maneno sy Hira
      -Antoko Mpihira
      -Sekoly Alahady
      -Dorkasy
      -Fifandraisana
      -Fandalinam-pinoana sy famangiana pastoraly.Diakonina no hitarika ny Vaomiera fa ny fiaraha-miasa dia an'ny Fiangonana manontolo.Ny Vaomieran'ny Fandalinam-pinoana sy Famangiana Pastoraly dia atokana ho anjara asan'ny Mpitandrina, ampian'ny diakonina, mpanoman-draharaha.
    • -Hivory indroa isan-taona ny Biraom-piangonana handinika ny raharaham-piangonana. Amin'ny fotoana maika kosa anefa dia azo atao ny miantso fivoriana tsy ara-potoana, izay hifanarahan'ny rehetra.
    • -Manana ireto boky ireto ny Fiangonana:
      -Boky firaketana na rejisitra
      -Bokim-bola sy rosia.
      -Boky Volamena
  • E- FANOVANA NY RAFITRA

    Azo atao ny manova ny tapany mikasika ny andalana B "Rafitry ny Fiangonana" sy ny andalana D "Ny Biraom-piangonana" mba hanatsarana ny fiainam-piangonana. Ny andalana A "Fanorenana kosa dia tsy azo ovaina satria io no Sata ijoroan'ny Fiangonana Kristianina.

    Natao androany 21 Novambra 2004, teto Queens, New York.

    Ny Mpitandrina sy ny Komity namolavola izao Sata izao

    Atoa Norbert Rakotomalala,
    Atoa Andre Rasandiharisoa
    Mr Armand Randresihaja
    Mr Samoela Randretsanilo
    Mr Pascal Rafamantanantsoa
    Mr Percy Ranaivohajarivony
    Mrs Bakoly Rajerison
    Mr Jean-Claude Rakotoniaina
    Mr Carol Razafindrakoto
    Pastor Samoela Andriani