IREO BIRAO SY NY ANDRAIKINY

Vao navaozina ny Alahady 21 Janoary 2013 ny birao hitantana ny FKM-NY mandritry ny 2 taona manaraka. Araky ny fifidianana natao tamin'io fotoana io dia Atoa Thierry Rakotobe-Joël no lany ho Filohan'ny Fiangonana. Ankinina amin'Andriamanitra izany andraikitra vaovao raisiny izany. Ary amin'ny zavatra rehetra hatao sy ho tontosaina dia ny voninahitry Kristy Tompo sy Mpamonjy no hiseho avy amin'ny alalan'ireo birao handray andraikitra mandritry ny roa taona.

Eo amin'ny fanendrena ny andraikitra ho sahanin'ny diakona tsirairay avy dia miandry ny fivorian'ny birao voalohany.
Mbola hisy ny fifandinihina sy fifanamboarana eo amin'ny olona voatendry hiasa sy ireo manana fifanindrin-draharaha ka mety tsy ahatanteraka ny asa nomen'Andriamanitra azy. Ireto manaraka ireto ary ny birao vaovao izay mbola tsy miaraka amin'ny andraikitra ho tanany.

  • Rtoa Virginie Marie Zoé SARAMBA
  • Rtoa Harizo RANAIVOHAJARIVONY
  • Rtoa Lydia RANDRIANARIVONY
  • Atoa Rolls Pascal RAFAMANTANANTSOA
  • Atoa Aimé RAKOTONIAINA
  • Atoa Carol RAZAFINDRAKOTO
  • Atoa Seta RAMAROLAHY
  • Atoa Thierry RAKOTOBE-Joël


Isaorana manokana ireo birao nitondra nandritry ny tetezamita, nanomboka ny Paska 2012. Voninahitra ho an'Andriamanitra irery ihany teo amin'ny dingana fandrosoana nahitana ny mpitandrina vaovao hitantana eto amin'ny FKM-NY.

Ireto avy ary izy ireo:

Prezidan'ny Fiangonana: Atoa Thierry RAKOTOBE-Joël
Mpitantsoratra: Atoa: Rolls Pascal RAFAMANTANATSOA
Mpitahiry vola Rtoa Harizo RANAIVOHAJARIVONY
Mpandini-bola: Atoa Aimé RAKOTONIANA

Ny Sampana ary andraikitra sahaniny :

1- Trano fivoriana sy Zavamaneno:

Aime Rakotoniaina na mailaka ato
Pascal Rafamantanantsoa (908-351-8941) na ny mailaka ato
Carol Razafindrakoto (917-535-5348) na mailaka ato

Manasa ny rehetra manan-talenta amin'ny fitendrena zava-maneno hanatona ny Diakonina tompon'andraikitra mba ahazoana miara-manantotosa ny fotoampivavahana sy ny fideranaan'Andriamanitra amin'ny zava-maneno isan-karazany.

2- Antoko Mpihira:

Seta RAMAROLAHY mailaka ato
Lydia RANDRIANARIVONY mailaka ato

Tsy ny fahaizana solfa/naoty no zava-dehibe fa ny fitiavanao sy ny fanirianao hihira. Holazaina amintsika atsy aoriana kely fotoam-pivoriana famerenan-kiran'ny Antoko Mpihira FKM-NY.

3- Sekoly Alahady:

Ando RAKOTOBE, mailaka ato
Hanta RAFALIMANANA, mailaka ato

Efa maro ny ankizy sy ny lehibe no mianatra Soratra Masina any amin'ny fiangonana amerikanina falehany. Ny tanjona eto dia ny fampianarana zaza Malagasy sy ny lehibe ny tantaran'i Madagasikara, lafiny finoana ary ny fiantraikan'ny fivavahana Kristianina eo amin'ny Malagasy. Eo am-panamboarana ny lesona amin'izao fotoana izao koa amin'ny fiangonana amin'ny Septambra no irariana hanomboka ny Sekoly Alahady.

4- Dorkasy

Harizo RANAIVOHAJARIVONY, mailaka ato

Ny raharaha an-koatry ny fotoampivavahana dia sahanin'ny Dorkasy,toy ny fikarakarana ny sakafo aorian'ny fotoam-pivavahana, ny fitandremana ny ankizy madinika, ny famangiana noho ny fifaliana na fahoriana eo ami'ny tapaka sy namana Malagasy. Mila fifarimbonan'asa avy aminao izany koa aza misalasala manatona ny tompon'andraikitra hifanome tanana.

5- Fifandraisana::

Pascal RAFAMANTANANTSOA (908-351-8941) na mailaka ato
Carol RAZAFINDRAKOTO ,mailaka ato

Raha misy vaovao tian-kampitaina ho an'ny rehetra dia efa fantatrao izao ny tokony ho hatonina. Anjaran'izyireo koa no mikarakara ny topy internetin'ny fiangonana, ny fanaparitahana ny taratasy fanasana amin'ny fotoam-pivavahana,ary ny manaraka tsy ho ela dia ny"Gazetim-piangonana hirakitra izay rehetra tsara ho fantatra eto amin'ny FKM-NY.

6-Fandalinam-pinoana sy Famangiana

Carol RAZAFINDRAKOTO, mailaka ato
Thierry RAKOTOBE-Joël, mailaka ato

Hisy fotoana fandinihana Soratra Masina atao any amin'ny tranon'izay olona terem-panahy handray izany. Ny volana Febroary, Aprily ary Oktobra ny volana hanatanterahana zany. Etsy an-kilany koa dia hanokana fotoana hamangiana tokantrano ny fiangonana miaraka amin'ny Mpitandrina.Fitondram-bavaka, fampaherezana ary dinidinika samihafa no hatao amin'izany. Raha misy fianakaviana te hampiantrano handray izany famangiana izany dia aoka hilaza amin'ny Diakonina tompon'andraikitra, hahamora ny fandrindram-potoana.

7-Ny Mpitandrina:

Aza misalasala miantso na manoratra amin'izay mety hilana ny mpitandrina na inona na inona: vavaka, batisa, katekomenina,...

Pasteur Perline Cooper (570-401-5889)
Mailaka: (e-mail) perlinecooper@gmail.com

FIANGONANA KRISTIANINA MALAGASY NEW YORK.

LOHA PEJY