Malagasy Christian Church, New York, FKM-NY


126-128 West 16 thStreet, New York New York 10011
www.fkm-ny.org
Alefaso ato ny taratasy mailaka

Ry HAVANA MALALA,

Ny fiangonana Kristianina malagasy eto New York dia manokana drafitr'asa ho an'i Madagasikara
Miendrika fanampiana ara-bola izany asa izany.
Misokatra ho an'ny fikambanana kristianina na olon-tsotra kristianina ny fanampiana
Misy atotan-taratasy fenoina ho fangatahana fanampiana.
Tsy milaza akory ny FKM-NY fa mahavita izay rehetra angatahana fanampiana.
Miasa amin'izay kely ananana eo ampelatanana ny FKM-NY.

Ny Tompo Jesoa no ampitombo ny asa ary ho azy irery ihany ny voninahitra amin'izany
Koa raha manana fikasana ny hangataka fanampiana ianao na ny fikambanana misy anao dia angatahana hameno ny taratasy ato:

Taratasy fangatahana

Print-iavo ny taratsy, fenohy, ary alefaso amin'ny adiresy mailaka FKM-NY eo ambony io (Ny email no tsaratsara kokoa atao .pdf taratasy mipaingotra). Ny sujet asio soratra hoe MISIOANA.

Raha hitanareo fa tsy ampy ny toerana natokana hanazavana ny teti-drafitra arosonareo dia aiza misalasala mampiditra pejy hafa izay hitanareo fa ampy.


Mamaly anareo izahay rehefa voaray ny taratasy. Amin'ny e-mail no hanaovana izany.
Hilaza koa izahay haharitra hafirina ny hahazoana valiny mikasika ny fangatahana.

JEREO ATO NY SANTIONAN'NY ASA NOTONTOSAINA AVY AMIN'NY ALALAN'NY MISIONA FKM-NY

Ny Mpitandrina Perline Cooper
sy ny Birao mpiara-mitantana.
Ary ny sampana Misiona