TOERANA MISY NY FIANGONANA

Adiresy aleha farany: 1161 East Jersey street Elizabeth New Jersey 07201

1-MADEHA FIARA

Maro ny lalana mizotra ahazoana an'i Elizabeth sy ny Second Presbyterian Church.

  • Manaraka ny lalana 1 & 9 eto New Jersey
    • Avy Avaratra mianatsimo manaraka ny 1 & 9.
      Izay hivoahana avy ao New York dia manondro mazava ny zotra 1 & 9 raha vao miditra an'i New Jersey.
      Raiso ny 1 & 9 mianatsimo mphatonga ao Elizabeth tanana, izay tsy lavitra ny "Newark International Airport". Manomboka eo dia miha maromaro ireo jiro manohana raha manaraka ny 1 & 9 ao Elizabeth. Misy tetezana ambonin'ny lalana antsoina hoe 'Magnolia Avenue'. Ny Jiro manaraka an'io no "East Grand Street" ahitana ny mpivarotra lasantsy Lukol eo ankavanana.Ny Jiro manaraka an'io no "EAST JERSEY STREET".
      MIvily miankavanana ianao eo. Mahatratra ny "Jefferson Avenue" rehefa mandalo Jiro telo. Ny block manaraka no misy ny fiangonana amin'ny akavanan-dalana.

    • Avy atsimo manaraka ny 1 & 9 mianavaratra.

      Miala avy amin'ny fihaonan'ny 1 & 9 eo Woodbridge NJ dia mbola misy eo amin'ny 5 miles eo vao tonga ao Elizabeth. Manditry ny dia dia ahita mpivarotra Mc Donald roa ankavanan-dalana ianao.Ny Mc Donald faharoa dia ao Elizabeth. Akaikin'io Mc Donald io dia misy iay Reedgewood Motel. Mandray ny fivoahana ankavanana eo, izay midika fa tsy mandray ilay tetezana.Ny stop manaraka dia "Pearl Street". Miankavia ianao eo, ary mandalo ny "Elizabeth High School". Ny Jiro manaraka dia "Bridge street" miankavanana ianao eo handaray ny "Elizabeth Avenue". Miankavia eo amin'ny Elizabeth avenue" mankany amin'ny "Jefferson Street" (izay jiro manaraka) izay handraisanao miankavanana indray. Ny jiro farany dia"East Jersey Street", miankavia ianao eo amin'io Block no misy ny fiangonana akavanan-dalana.

  • Avy amin'ny "Garden States Parkway (GSP)".

    Na avy atsimo na avy avaratra dia ny "exit 137" (Cranford-Elizabeth-Roselle-Roselle Park) no hivoahana. Amin'ny faran'ny lalana fivoahana dia tokony hintsinanana ianao hanaraka ny 'Westfield Avenue' na ny 'Route 28", makany Elizabeth. Manaraka an'iny eoamin'ny 4 miles eo. Handalovana ny "Elmora Avenue" izay misy fivarotana lasantsy "Exxon" ankavanana ary "Holywood Video" mpivarotra anjavia. Manaraka ny " Westfield Avenue" foana. "Chilton street" no jiro faharoa ho hita. Miankavanana eo ary ny jiro faharoa dia WEST JERSEY STREET, miankavia indray eo. Ho hitanao avy atrany ny trano fianarana 'Union County College'. Ny Jiro akaikin'io trano io dia " Broad Street", ao Elizabeth. Mihova ho "East Jesrey Street" ny "West Jersey street". Eo amin'io Jiro mena io dia hita avy hatrany ny fiangonana amin'ny akavian-dalana.

  • Avy amin'ny "New Jersey Turnpike (Trnpk) na Interstate-95 (I-95)"

    Na avy Avaratra na avy Atsimo dia ny "exit 13" (Elizabeth-Linden) no hivoahana. Rehefa afaka ny "toll booth" dia voatondro tsara ny "Elizabeth-Linden" hizorana. Amin'ny faran'iny zotra iny dia ahita mpivarotra lasantsy "Exxon" ankavia ary "Amoco-BP" anavanana. Ny lalana eo afovoan'ireo no raisina "Bayway Avenue" no anarany. Rehefa mandalo jiro 3 dia mahazo an'i "South Broad Street". Mandray ankavanana eo. Mandalo Jiro roa indray dia mahita ny "1 & 9". Manaraka ny "South Broad street" foana anefa ary Jiro 4 ao aorianan'ny "1 & 9" dia mahita ny "Elizabeth Avenue" ao Elizabeth. Miankavanana eo, ny jiro manaraka dia "Jefferson Avenue", miankavia indray eo. Ny Jiro farany dia "East Jersey Street". Miankavia eo. Amin'io "block" io no misy ny fiangonana eo amin'ny akavanan-dalana .

    PARKING:
  • vitsy ny "parking" ao aorianan'ny fiangonana. Tsaratsara kokoa ny mampiasa ireto 4 manaraka ireto.
  • Ao aorianan'ny mpivarotra "Shopper's World (broad Street)".
  • "Municipal Lot" ao aorianan'ny " Union County (College)", izay "Parking garage".
  • "Jefferson Avenue" izay Parking Garage koa.
  • Marihana fa ny alahady dia matetika misy "Parking" foana amin'ny lalana manodidina ny fiangonana.

Ireto ny sarin'ny fiangonana sy ny lalana manodidina eo .

Ny Fiangonana
Carte lehibe kokoa

2-HO AN'IREO IZAY HANDRAY FIARAN-DALAMBY

Toerana hialana : "Elizabeth Broad street TRAIN Station"
Ny handraisana ny NJ Transit dia ao amin'ny "PENN Station New York" 34Th street sy 8th Avenue ao ambanin'ny "Madison Square Garden".

NJ Transit zotra telo no mijanona ao amin'ny "Elizabeth Broad street station".

  • "North East Corridor" izay makany:
    • "Long Branch".
    • "Bay Head"
  • Zotra "Trenton"

    Ireo zotra ireo izany nojerena raha ho any Elizabeth. Ny Alahady dia miala 7-8 minutes na 14-15 minutes ao aoriana'ny isan'ora izy ireo. Eo amin'ny 30 mn eo ny dia."Train stations" telo no andalovana alohan'ny hijanonana ao Elizabeth.

    • "Secaucus station".
    • "Newark Penn Station".
    • "Newark International Airport station".
    • Izay vao "Elizabeth Broad street Station".
    Raha mivoaka dia manenjika an'i "Broad street Elizabeth" avy amin'ny "West Grand Street". Mandeha ankavanana eo amin'ny "Broad Street". Ny Jiro faharoa dia "East Jersey street" miankavia eo ary amin'io " block" io ny fiangonana,eo ankavia.

    Saran-dalana lamasinina dia $6.75 (one way), ny zaza latsaky ny 12 taona dia tsy mandoa saran-damasinina amin'ny faran'ny herinandro.

FIANGONANA KRISTIANINA MALAGASY NEW YORK.

MIVERINA LOHA-PEJY