NY LITORJIA FITARIHANA:

Fampahafantarana ny votoantin’ny litorjia mba hahatonga ny kristiana ho afaka handray anjara tanteraka amin’ ny fanompoam-pivavahana sy hiaina amin’ny lesona

FOTOTRA ARA-TSORATRA MASINA

Misy andin-tsoratra Masina vitsivitsy ireto hanazavana ny momba ny litorjia:

  • 1- Salamo 100:1,2: “Mihobia ho an’i Jehovah ry tany rehetra. Manompoa an’i Jehovah amin’ny fifaliana; manka-nesa eo anatrehany amin’ny fihobiana. Maneho ny fanompoan’ny tany rehetra an’i Jehovah ity Soratra Masina ity; mampahatsiaro ny baikon’i Jesoa Kristy ho Fitoriana ny Filazantsara ho an’izao tontolo izao (Mat.28:19;Mar.16:15). Misosakatra ho an’ny rehetra ny Fiangonan’Andriamanitra (Gal.3:8). Izany anompoana tokony hatao izany dia amin’ny fifaliana rehetra izay vokatry ny fo noho ny maha olony antsika (Sal.119:94); ary noho ny fahamarinana sy ny famindram-pony (Sal.100:5). Fifaliana vokatry ny asan’ny Fanhy Masina (Gal.5:22). Fifaliana iarahan’ny rehetra manompo an’Andriamanitra ka mifototra amin’ny fahalalana an’Andriamanitra ho : Mpanao antsika, Tompo ary Mpiaro.
  • 2- Asa.2:41-47: “Ary izay nandray tsara ny teny dia natao batisa: ary tokony ho telo arivo no olona vao nanampy ho isany tamin’izany andro izany. Ary izy reo naharitra tamin’ny fampianaran’ny Apostoly sy ny fiombonana sy ny famakiana ny mofo ary ny fivavahana” (And. 41-41): Faharetana amin’ny fanompoana ao amin’ny Fiangonana:
    • - Fampianaran’ny Apostoly: anjara-toeran’ny fampianarana ny Tenin’Andriamanitra, ny famakina sy fitoriana izany.
    • - Ny fiombonan’ny mino : fiaraha- mifampitondra amim-bavaka, fi-fanampiana, fiaraha-misakafo sns… (Kononia)
    • - Famakiana ny mofo : fanatanterahana ny sakramenta : batisa sy ny fanasan’ny Tompo.
    • - Fivavahana: zava-dehibe teo amin’ny fiainan’ny Jiosy ny fivavahana ka notaterahan’i Jesoa sy ny mpianatra ny fiaraha-mivavaka tao amin’ny Tempoly. Ny fiaraha-mivavaka hatrehan’ny be sy ny maro dia in-3 isan’andro: - Ora faha 3 : atoandro amin’ny 12 ora
    • - Ora faha 6 : hariva
    • - Ora faha 9 : maraina . Ireto ny andinin-tSoratra Masina manamafy izany (Sal.55:17; Asa 3:1; 10:3: I Mpan.8:30-38; Dan.6:10;9:21; Sal. 5:7;28:2;55:17; 65:1,2; 119:165;138:2; 141:2; Isa.56:7; Lio.1:10; 18:10). Izany no nahatonga an’i Paoly hanafatra: “Mivavaha ka aza mitsahatra” (I Tes,5:17).
    Azo faritana ho telo ny fivaingan’ny fiainan’ny Fiangonana tamin’izany:
    • 1- Fitoriana ny Tenin’Andriamanitra sy ny fampianarana, izay tena fijoroana ho vavolombelona ( Martyria).
    • 2- Ny fanompoam-pivavahana naharetan’izy ireo (Litourgia).
    • Fiantrana sy ny fanompoana (Diakonia). Zavatra tsy azo sarahina ireo fa tena fiainan’ny Fiangonana
  • 3. I PETERA 2: 9,10:

    “Fa ianareo kosa dia taranaka voafidy, fanjaka-mpisorona, firenena masina, olona nalain’ Andriamanitra ho an’ny tenany…”

Maneho ny fiaraha-miasan’ny kristiana rehetra sy ny mpitandrina amin’ny fanompoam-pivavahana ity teny ity. Ny hoe: “fanjaka-Mpisorona” dia fiarahan’ny kristiana rehetra manompo an’Andriamanitra sy mandavorary ny fanompoam-pivavahana. Ny vahoka no miara-manompo an’Andriamnitra amin’izany, ka tsy fotoana hisehoan’ny tsirairay anjakan’ny fitsitokotokoana izany, fa fanehoana fiombonana lehibe kosa. Fiara-midera sy mankalaza an’

Andriamanitra, ary handraisana ny sakafo mahavelona atolotr’i Kristy ny litorjia, ka santatry ny fianan-danitra sahady. Mariky ny fiombonana sy ny firaisana na “Kononia” ny Litorjia. Ity fiombona na firaisana ity no mahatonga ny Fiangonana ho tena fisehoan’ny tenan’i Jesoa Kristy eto amin’izao tontolo izao. Io fiombonana io nahatonga ho iray hevitra sy iray teny ( I Kor.1:10 Rom.15:5-6, Fil.2:11) .

FAMARITANA NY TENY LITORJIA

Ny teny hoe: “LITORJIA” dia avy amin’ny teny grika roa: - “leitos”: vahoakan’Andriamanitra sy ny - “ergos” : asa fanompoana. Koa milaza ny fanompoana tanterahan’ny vahoakan’ Andriamanitra izay nantsoiny hanome voninahitra Azy sy handre ny Teniny ny litorjia.

Ny Mpitandrina dia mpitarika sy mpanentana ny vahoakan’ Andriamanitra ho amin’ny fanompoana tandrify azy tsirairay avy sy hany mpizara ireo sakramenta roa.

NY TENA LITORJIA

Hevi-diso ny hoe:tapany voalohany hatramin’ny fanekem-pinoana ihany no litorjia. Fanompoam-pivavahana avokoa izay atao ao am-piangonana manomboka amin’ny fiaraha- bana apostololika ka hatramin’ny tsodrano, ary ao anatin’izany avokoa na dia ny filazana ny raharam-piangonana aza. Hajaina sy arahina tsara ny litorjia, ohatra: tonga ara-potoana, tsy miresaka am-piangonana.

Aza adinoina fa ao anatin’izany koa ny fanatitra. Ny fanompoam-pivavahana na litorjia dia manana ho fiandohany tao amin’ny T.T tao amin’ny tabernakely sy ny teo amin’ny Tempoly. Azo boriborian hoe : “ Fanaovam-panatitra “ izany (Lev.1-7). Ny firenena 12 teo amin’ny Zanak’Israely no mpanao fanatitra, satria fanjakam-pisorona no ilazana azy ireo ( Eks.19:5-6, 2:15; Det. 16:16). Ny fanatitra no fototry ny asa ao amin’ny litorjia, na fiderana izany, na fivavahana izany, na famoriam-bola (II Kor.8,9). Ny fanatitra fototra anefa dia Jesoa Kristy teo amin’ny hazofijaliana.

NY FIZOTRY NY LITORJIA

Mizara ho roa amin’ny ankapobeny ny litorjia:

  • - Izay avy amin’Andriamanitra: fanambarana ny sitrapon’Andriamanitra: “izao no lazain’i Jehovah”; ny famelan-keloka atolotra (Jer.31:34), ny Teny izay miseho amin’ny vakiteny (Lio.4:12-22) sy ny toriteny (Rom.10:17; II Tim.4:21) ary ny tsodrano (Nom.6: 24-26).
  • - Izay anjaran’ny vahoakan’Andriamanitra: Fiantsoana sy fiderana (Sal.95), ny fieken-keloka sy fibebahana (Jer.3:12,13), ny fanambarana ny fanekem-pinoana kristiana (Rom.10:9,10; Mat.10:32,33); ny fanoloran-tena amin’ny fanatitra na rakitra ( I Kor.16:2;Mar.12:41) ary ny raharaham-piangonana ( Kol.4:1

NY LOKO LITORJIKA

Ny Fiangonana dia mampiasa loko litorjika mifanaraka amin’ny vanim-potoam-piangonana mandritra ny taona; nandova zavatra maro tamin’ny fety Jiosy ny Fiangonana kristiana. Ny Josy kristiana sy ny Apostoly mantsy dia mbola nanohy nankalaza ireny koa.Notanan’ny Fiangonana samihafa izany ary samy nanana ny loko namaritany azy.

Ny FJKM dia manana ny loko litorjika nofaritany ka manaraka izany ny lokon’ny ziogan’ny Mpitandrina ao min’ny FJKM sy ny lambam-piangonana; manana heviny ara-panahy izany . Toy izao izany

MAINTSO : Alahady 4 mandritra ny Advento:
- Fahatsiarovan-tena, fibebahana.
- Fiandrasana amim-pifaliana ny fiavian’ny Tompo.
- Fanantenam-pamonjena.

MANGA : Krismasy sy Epifania:

Manomboka ny 24 Desambra ka hatramin’ny Alahady farany alohan’ny Karemy:
- Firavoravoana, fifaliana
- Fisaorana sy fankasitrahana ary fankalazana ny famonjen Andriamanitra

VOLOMPARASY: Karemy, Herinandro Masina fisaonam-pirenena, fandevenana:
- Fahalahelovana
- Fahatsiarovana ny vesatry ny fahotana
- Fiombonana amin’ny fijalian’ny Tompo

FOTSY: Paska, Fiakarana, Fandraisana, fanamasinana fanambadiana, fanokanana Mpiandry:
- Fandresen’ny Tompo sy izay miaraka Aminy.
- Fiderana sy fanandratana ny herin’ny Tompo ny fanjakany sy ny fahefany ary ny fanapahany feno izao rehetra izao. Fahadiovana sy fahamasinana.

MENA: Pentekosta, trinité , fanokanana, jobily:
-Ny Fanahy Masina sy ny fitiavan’Andriamanitra mamelona sy miasa amin’izao tontolo izao.
- Ny fahefana sy ny fahasahiana masina hijoro ho Vavolombelona mahatoky sy marina.

ENDRIKY NY LITORJIA

Misy endriny 4 ny lotorjia FJKM ka toy izao izany:

1- Endriny voalohany: lava fanao mahazatra ny Fiangonana

2- Endriny Faha-2: Fohy kokoa ary natao indrindra itsinjovana ireo Fiangonana izay voatery manao fanompoam-pivavahana maromaro. Azo atao amin’ny fotoana manokana ihany koa.

3-Endriny faha-3: Manome anjara toerana manokana ny toriteny, izay nakambana avy hatrany amin’ny sitrapon’Andriamnitra.

4- Endriny faha-4: Natao ho fiderana an’Andriamanitra izy ity. Azo ampiasaina amin’ny vanim-potoana lehibe sy fotoam-pifaliana manoka amin’ny fiangonana: toy ny Krismasy, ny Paska, ny Pentekosta ary fetim-piangonana hafa. Azo atao ny midera ny Tompo amin’ny hira sy ny dihy. Marihina fa eto no azo atao solon’ny toriteny ny hafatra an-kira, na hafatra amin’ny fihetsika, tantara fohy.

FIANGONANA KRISTIANINA MALAGASY NEW YORK.

MIVERINA LOHA-PEJY