NY FANATITRA

  • 1- ANARANA AKAPOBENY

    Ny fanatitra rehetra dia fanomezana, nefa ny fanomezana rehetra dia tsy fanatitra avokoa. Ny Eks.28:38 hoe: “fanomezana masina” no mahafoaka azy rehetra. Mizara telo izany amin’ny akapobeny:

    1- Fanatitra eo amin’ny alitara (Mat.23:19)

    2- Ireo adidy masina voatondro ny lalàna : fahafolon-karena , ny voaloham-bokatra, ny santa-bokatra.

    3- Ireo manana antony manokana (Nom.7).

    Ny teny hebreo ilazana azy dia ny hoe: “qorban “ nilaza ny zavatra nomena an’Andriamanitra (Ezek.20:28; Mar.7:11). Ampiasaina ihany koa anefa ny teny hoe: “minchah “ ilazana ny fanatitra nolevonina. Ao koa ny teny hoe: “zebach “ ilazana ny fanatitra biby alatsa-dra.

    Ato amin’ny Baiboly Malagasy ny fanomezana tsy misy ra latsaka dia natao hoe: “ fanatitra hohanina”samy ampiasainy ny teny roa (Sal.40:6; Amo.5:25…).

  • 2-ANARANA SAMIHAFA

    Araka ny boky Levitikiosy dia ao no ahitana ny dinidinika momba ny fanatitra (Lev. 1-5). Ka ireto ny sationany amin’izany:

    • 1- Fanatitra dorana (olâh): atao eo amin’ny alitara, ary tsy dorana avokoa ny tenan’ny biby natao fanatitra.
    • 2-Fanatitra levonina amin’ny afo (kâlil) :nodorana avokoa ny tenan’ny biby.
    • 3- Fanatitra hanina (minchân): vokatry ny tany sy zava-pihinana; fanomezana nentina ho an’Andriamanitra. Rehefa miverina amin’Ilay Mpanome ny aina ny ra (I Sam.14:32-34) ary ny taviny dia dorana teo amin’ny alitara (I Sam.2:15), ny nofon’ny biby kosa dia nohanin’ny mpanatitra sy ny fianakaviany teo amin’ny toerana masina ( I Sam.1:3-7).Sakafom-pi-raisana @ Ilay Andriamanitra ivavahana no heviny.
    • 4-Fanatitra fisotro na aidina: ny diloilo sy divay no ampiasaina amin’izany (Gen.35:14; Eks.25:29) miaraka amin’ny mofo aseho.
    • 5- Fanati-pihavanana (shélâmim):Fanatitra mahatonga fihavanana sy firaisana amin’ny mpivavaka sy ny ivavahana(Amo.5:22; Lev.3:1-16) na fanati-pisaorana ihany koa (todhah) (Lev.7:13,15) ho fankasitrahana ny soa voaray; miaraka aminy koa ny fanati-panalam-boady (Lev.7:16);aryFanati-tsitrapo,vokatry ny fihetseham-po tonga ho azy manaiky sy mankasitraka ny famindrampon’Andriamanitra. Ity dia isan’ny fomba niraisan’ny Semitika . Hifaliana miaraka @i Jehovah izany (Deot.12:7).
    • 6- Fanatitra noho ny ota (Chattath): Ny atao hoe:“ota” eto dia ota tsi-nahy (Lev.4:15; 13:22; Nom.15:24-29) izay mifanohitra amin’ny “ota sahisahy” izany hoe: finiavana handika ny didin’ Andriamnitra (Nom.15:30). Ao anatin’ity koa ny fahalotoana izay mahakasika ny fomba toy ny vehivavy tera-bao, ny boka etc… Mba hitsimbinana ny mahantra dia nekena ny domohina 2 na zana-boromailala 2.
    • 7- Fanatitra noho ny heloka (âshâm): Hita @ireto andininy ireto ( Lev.5:14-6:7; Nom.5 5-8). Ny hevitry ny teny Hebreo “asham” dia fahadisoana atao @ ny namana sy ny heloka amin’izany, indrindra ny fanaovana tsi-rariny amin’ny fanany (Nom.5:7,8). Ny biby fanatitra amin’ity dia tsy maintsy ondrilahy.
    • 8- Fanatitra atao amin’ny afo (ishsheh):(Deo.18;1; I Sam.2:28) mifandray amin’ny fanatitra asandratra sy ahevaheva izy ity.
    • 9- Fanatitra asandratra (terumâh): (Eks.29:27)nesorina ny sasany tamin’ilay fanatitra hiala @ ny tenabeny ka nomena ho anjaran’ny mpisorona.
    • 10- Fanatitra ahevaheva (tênuphah): Ny mpisorona no manainga ny anjarany amin’ilay fanatitra ka mampisavilivily izany eo anoloan’ny alitara. Ny fanao amin’izany dia ny tratra na ny soroka na ny fe nalaina avy tamin’ny fanatitra (Eks.29:26; Lev.7:34).
    • 11- Fanati-pahatsiarovana (azkareh): Izy ity dia koba na lango na diloilo ary ditin-kazoma-nitra eran-tanan’ila izay raofin’ny mpisorona avy @ ny fanatitra hanina, ka dorana ho fofo-manitra eo @ ny alitara ho fanati-pahatsiarovana, izany hoe: fampahatsiarovana an’Andriamanitra mba tsy handinoany an’ilay mpanatitra ( Lev.2:2,9, 16 ect…) .
    • 12- Fanatitra olona: Niely fatratra tamin’ny Kananita ity fomba ity (II Mpan.3:27); ary voalaza mazava ihany koa ny fisian’izany teo amin’ny Hebreo (Mpit.11:30-40; I Mpan.16:34). Anisan’izany ilay fanatera zaza dorana velona ho an’i Moloka.Ny fisakanana an’i Abrahama tsy hamono an’i Isaka ho fanatitra dia fandrarana ny olona tsy hanao izany fomba mahatsiravina izany.
  • FANDRAVONANA
BIBY ATAO FANATITRA OMBY ONDRILAHY ZANAK’ONDRY OSY
Maraina sy hariva 2
Fanatitra fanampiny @ ny Sabata 2
Voaloham-bolana 2 1 7 1
Fety isan-taona
Mofo tsy misy masirasira (isan’andro) 2 1 7 1
Totalin’ny 7 andro 14 7 49 7
Herinandro voalom-bokatra 2 1 7 1
Andro 1@ny volana faha-7 1 1 7 1
Andro fanavotana 1 1 7 1
BIBY ATAO FANATITRA OMBY ONDRILAHY ZANAK’ONDRY OSY
Tabernakely: andro 1 13 2 14 1
andro 2 12 2 14 1
andro 3 11 2 14 1
andro 4 10 2 14 1
andro 5 9 2 14 1
andro 6 8 2 14 1
andro 7 7 2 14 1
andro 8 1 1 7 1
Totalin’ny andro 8 71 15 105 8

NY ZAVATRA ATAO FANATITRA

Ny biby atao fanatitra dia alaina avy @ ny biby na vorona madio (Gen.8:20); ary tsy maintsy ombilahy osy lahy, ondrilahy, Domina, voromailala ( Gen.15:9) fa tsy rameva na ampondra (Eks.13:13). Ary ny biby dia noheverina fa efa an’Andriamanitra; koa nalaina @ny biby fiompy ny olona izany. Ny momba ny fanatitra haniha dia efa voalaza tery aloha.Ireo biby voalaza ireo dia biby tsy misy kilema.

NY FANATITRA AO AMIN'NY NY TESTAMENTA VAOVAO

Mbola hita taratra tao amin’ny T.V ny fanataterahana ny fanatitra araka ireo (Mat.5:23-24; 12:3-5; 17:24-27;23:16-20; I Kor.9:13-14). I Jaona Mpanao Batisa dia nanondro an’i Jesoa hoe “Indro ny Zanak’ondrin’ Andriamanitra, Izay manaisotra ny fahotan’izao tontolo izao” (Jao.1:29).Koa i Jesoa no nanatitra ny tenany ho fanatitra teo @ ny hazofijaliana.Taty aoriana koa moa noravan’ny Romana ny Tempoly ka tsy nisy intsony ny fanaovana fanatitra.

Ny Epistly ho an’ny Hebreo no mazava ny fanatitra ao amin'ny Testamenta .Taloha (Heb.9:6-10;10:1-4).

NY FANATITRA ARA-PANAHY

Anisan’ny zava-dehibe asongadin’ny T.V ny fanatitra ara-panahy (I Pet.2:5;Jao.4:23-24; Rom.12:1;Fil.3:3). Tsy misy zavatra atolotra atao fanatitra fa ny asan’ny Fanahy Masina ao anaty no manamafy ny fanoloran-tena ho an’Andriamanitra noho ny fanavotana nataon’I Jesoa Kristy.

KRISTY NO FANATITRA

Jesoa Kristy no Zanak’ondry novonoina ary ny rany no manaisotra ny fahotan’izao tontolo izao (IPet.1:18-19;Apok.5;6-10;13:8); Izy no Zanak’ondrin’ny Paska (I Kor.5:6-8); Izy no fanatitra noho ny ota (Rom.8:3) ary fanatanterahana ny tena fanati-pihavanana (He.9-10). Ny fanasan’ny Tompo no marika hita-maso fahatsiarovana izany fanatitra nataon’i Jesoa izany ( Lio.12: 19; I Kor.11:24-25).

FEHINY

Fanomezana atao ho an’Andriamanitra ny fanatitra.I Kristy Jeso no efa manome ny tsara indrindra ho an’Andriamanitra nisolo antsika ka nahatonga ny fahotana izay nampisaraka antsika tamin’Andriamanitra dia rava. Ny fanoloran-tenantsika ho an’ny Tompo miaraka amin’ny izay hananatsika no ilainy hanome voninahitra Azy. Ka izay mendrika sy tsara no atolotra @izany.

FIANGONANA KRISTIANINA MALAGASY NEW YORK.
Miverina loha-pefy